CFM - Madagasikara

Fihaonan’ny CFM-BIANCO (androany 23.03.2021)

Tohin’ny Fihaonan’ny delegasionan’ny Bianco, notarihin’ny Tale Jeneraliny, Laza Andrianirina tamin’ny CFM dia nihaona indray tamin’ireo mpikambana amin’ity andrim-panjakana ity ny iraky ny Bianco androany 23.03.2021. Ny fihaonana dia notarihin’ny filoha lefitra avy amin’ny faritany Toamasina, Rasolondraibe Jean-Jacques, ary natao tao amin’ny biraon’ny CFM eto Ampefiloha.

Tonga nanamafy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Mpikambana eo anivon’ny CFM ny delegasiona, ary nanamafy fa ny CFM no andrim-panjakana tsara toerana amin’ny fitaizana ny olom-pirenena  amin’ny fialana amin’ny toe-tsaina tia kolikoly, ka afaka miara-miasa tsara amin’ny Bianco. Ny CFM noho ny asa fampihavanana izay imasoany, sady manana rahateo ny solontenany manerana ny Nosy ka afaka manantona ny Malagasy rehetra.

Ho setrin’izany ny filoha lefitra Rasolondraibe Jean-Jacques dia nanoritra ny fahavononan’ity andrim-panjakana ity hiarahiasa amin’ny Bianco satria adidin’ny olom-pirenena rehetra ny ady amin’ny kolikoly fa tsy an’ny Bianco irery ihany. Nanaiky amin-kitsi-po ny mpikambana amin’ny CFM fa hanao ny asa fanabeazana hialana amin’ny kolikoly ary ao anatin’ny Fampihavanana.

Nonoritra moa ny avy ao amin’ny Birao Mahaleotena momba ny Kolikoly fa ny andrim-panjakana rehetra dia tokony hametraka ny politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly fa tsy hiandry ny Bianco raha vao misy tranga mampiahiahy, izay mifototra amin’ny fanabeazana ireo mpiasam-panjakana.

Fotoana koa moa io nanoloran’ny mpikambana ato amin’ny CFM ny antontataratasy fanambaram-panana tamin’ireo solontenan’ny Bianco ireto, fihetsika didian’ny lalana hataon’izy ireo.