CFM - Madagasikara

Fihaonana teo amin’ny Mpikambana ao amin’ny CFM sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (androany 11.03.2021) tao amin’ny efi-trano fivorian’ireo Mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity)

Fihaonana teo amin’ny Mpikambana ao amin’ny CFM sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (androany 11.03.2021) tao amin’ny efi-trano fivorian’ireo Mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity)

Ity fihaonana ity dia tafiditra indrindra amin’ny fikarohambahaolana amin’ny krizy mihanta amin’ny firenena sy mba hamerenana ny fitoniana.

Fihaonana naharitra ora roa.

Toarian’ny dinika dia nanazava tamin’ny mpanao gazety ny :

Minisitry ny Fampianarana ambony : « Nisy ny fampitsoana ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa manoloana ny zava-misy iainana ankehitriny amin’ny anjery manontolo rehetra manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Resaka fitakiana vatsim-pianarana, resaka korontana maromaro mampisy hetsika no fototry ny olana. Fitadiavam-bahaolana maharitra, mba hisian’ny fifampidinihana eto amin’ny tany sy ny firenena ny anton’ny fihaonana. Ataoko angamba fa rafim-panjakana manana adidy lehibe amin’izany ity CFM ity, ary izahay ihany koa amin’ny maha ministera mpiahy ny anjery manontolo dia tsy afaka ny itazampotsiny sy hatoritory fotsiny amin’izao korontana rehetra izao, fa tsy maintsy mitady vahaolana ara-teknika, ara-tsosialy sy ara-politika mba ho vahaolana ao anatin’ny fihavanana, ka hisian’ny filaminana eto Madagasikara. Ny filaminana no ahafahana manenjika ny taompianarana izay efa fohifohy ihany no ho ny fisianan’ny aretina COVID 19 ».

Mahakasika ny hetsiky ny mpianatra teny Vontovorona androany izay mitaky vatsim-pianarana dia nanoritra ny ministra : « miroso mitety ny universités manerana an’i Madagasikara ny projet « PROJIDI » manao ny digitalisation sy contrôle ny listry ny mpianatra, miasa sabotsy sy lahady, andro sy alina, mba hamita izany ao anaty ny fotoana fohy dia fohy. Mitety ny université nanomboka tamin’ity herinandro, manao vérification sy contrôle listes mba hirosoana amin’ny fandoavana ny vatsimpianarana manerana ny universités rehetra. Miezaka miresaka sy manazava mandamina miaraka amin’ireo mpianatra. Ny an’ny Vontovorona manokana moa, dia nisy ireo tsy tafiditra tao anaty liste, tsy vita ny recensement satria nisy ny absents tamin’ny fotoana nanaovana ny liste koa dia mbola eo ampanenjehana an’izany ny projet, mba afahana miroso haingana amin’ny fandoavana vatsim-pianarana. Fa tsy misy université atao zanak’ikala hafa akory, ary ny fitondram-panjakana akory tsy dia hoe misafidy ny hampiandry ela fa mbola miandry ireo fandaminana ireo ».

Fa hoy kosa ny président ny CFM : « iaraha-mahalala zany universités zany raha ny tantara ny firenentsika dia anisan’ny atao hoe foyers de tension. Nisy ireo krizy politika izay niainga foana amin’ireny université ireny. Misy ny andraikitra apetraky ny lalana amin’ny CFM dia ny fametrahana ny fitoniana. Ka izay no nahatonga anay nanasa andramatoa minisitra mba hiara-midinika aminay, mba ahafantarana ny zava-misy marina. Naharitra adiny 2 teo ho eo ny fifampiresahana, fifanakalozankevitra ary niara-niaiky ny roa tonta fa ny fifampidinihana ihany no afahana miroso amin’ny fametrahana ny fitoniana. Ka hijery an’io akaiky ny CFM, ny ahafahana mifanome tanana, eo amin-dry zareo eo amin’ny université, indrindra ny eo amin’ny ministère mba hametraka ny fitoniana, mba tsy ho eny no hirika hidirana amin’ny fanakorontanana. Raha fantatr’ireo mpianatra ireo, amin’ny alalan’ny fifampidinihana ny andraikitry ny mpampianatra, ny mpandraharaha, ny ministère mpiahy, amin’ny alalan’’izany fifampidinihana sy fifanazavana izany dia mino aho fa amin’izay dia tsy hisy ny korontana ».