CFM - Madagasikara

FANOKAFANA NY FIVORIAMBE FAHAROA NY FILANKEVITRY NY FAMPIHAVANANA MALAGASY FAHA 8 JOLAY 2021

Nisokatra androany (08.07.2021) ny fivoriana faharoa ny taona 2021 ny Mpikambana ato amin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, izay notarihin’ny filohany MAKA Alphonse. Ny lanonam-panokafana dia natao tao amin’ny ivon-toerany tao Ampefiloha, ary nanomboka tamin’ny 10 ora. Iaraha-mahalala fa noho ny antony valan’aretina izay nianjady teto amin’ny firenena dia nahemotra ity fivoriambe ity raha tokony ho tamin’ny volana jiona teo no nanantanterahana azy. Niara niombona alahelo tamin’ireo mpiray Tanindrazana namana fianakaviana namoy havana ny Filohany Filankevitra, Maka Alphonse. « Efa azo lazaina fa mihena ankehitriny ny fihanaky ny aretina covid 19 eto amintsika, noho fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana », hoy ny filohan’ny CFM tamin’ny kabarim-panokafana ny fivoriana.

« Anisan’ny voina nandalovany firenena ihany koa hoy izy ny kere izay mianjady an’ny amin’ireo havana mpiray tanindrazana any antsimo.

Tsy tokony mbola hanao antsirambina ireo fepetra izay naroson’ny tompon’andraikitra nefa isika hoy izy satria mbola tsy tafavoaka tanteraka, sady efa mananontanona antsika ny variant delta, antony mbola anidiana ny sisintany ».

Momba ny fitoniana ara-politika. « Mbola misy tokoa ny fifandranitana amin’ny samy mpanao politika amin’ny gazety sy tamba-zotran-tserasera, mitarika fifankahalana izany. Izany no nahatonga anay tamin’ny volomboalohan’ny taona teo nanantona ny herivelona rehetra teto amin’ny firenana, ny mpanao politika na eo amin’ny fitondrana, na ny mpanohitra, ny raiamandreny ara-panahy sy ny ara-drazana, ny société civile, ny ordre des journalistes, sns… Ilaina tokoa ny fifampiresahana ka izany ny nahatonga anay ato amin’ny CFM hiroso amin’ny fananganana ny « espace de dialogue » na ny « espace de concertation », sehatra ifanakalozana hevitra sy handrosoana volavolan-kevitra ho fanatsarana ny fitoniana eto amin’ny firenena ».

Momba ny famotsoran-keloka (amnistie), ny réparation de carrière, ary ny indemnisation. « Ny antonta-taratasy teto am-pelatananay dia efa nalefa any amin’ny CSIA (commission spéciale indépendante pour l’Amnistie, Cour suprême). Momba ny fanonerana (indemnisation), dia tsy maintsy misy décret milaza ny pitsopitsony (principes et modalités) momba izany, efa nomena ny minisiteran’ny Fitsarana ny antotan-taratasy, ary araka ny vaovao farany azonay dia efa lasa natolotry ny minisiteran’ny Fitsarana ny minisiteran’ny Fitantanambola izany. Momba ny fanonerana arakasa indray (la réparation de carrière), ho an’ireo sivily sy miaramila, ho an’ireo izay nahatsapa fa noho ny safidy politika dia voaelingelina ny fisondrotana arakasan’izy ireo (avancement), dia eo ampanaovana fanadihadiana ny CFM. Marihina fa 3 taona aorian’ny nipeterahany amin’ny toeran’ny CFM no farafandraisana ny antotantaratasy. Ny fanonerana arakasa sisa azo raisina amin’izao fotoana izao, ankoatr’izay efa tapitra. Ampahatsiahivina fa 1300 ny antontataratasy eto ampelatananay ».