CFM - Madagasikara

FANOKAFANA NY FIVORIAM-BE VOALOHAN’NY CFM NY TAONA 2022

Lapan’ny Fampihavanam-pirenena Ampefiloha (01.03.2022) tamin’ny 10 ora.

 

Fivoriambe izay didin’ny lalana 16-037 ny 2 febroary 2017 momba ny fampihavanam-pirenena, tanterahina isan-telo volana.

Kabarin’ny Filoha, MAKA Alphonse :

Iarahamahalala ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, na eo amin’ny lafiny politika, eo koa ny voina voajanahary isan-karazany, ny valan’aretina covid19. Tsapa koa fa miakatra foana ny mari-pana ara-politika, ary mbola mahazo vahana hatrany disadisa eo amin’ny mpomba ny fitondrana sy ny mpanohitra. Manoloana an’izany indrindra dia tsy miraviravy tanana ny CFM fa mikaroka vahaolana hatrany mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenentsika.

Manomboka mifantoka amin’ny resaka fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2023 ny resaka fifandonankevitra ankehitriny. Azo singanina amin’izany ady hevitra izany ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, mba hisian’ny fifidianana mangarahara sy madio ary eken’ny rehetra. Ao koa ny fitakiana fikaonandoham-pirenena avy amin’ireo mpanohitra alohan’ny hisian’ny fifidianana eto amin’ny firenentsika. Noho izany manamafy izahay eto amin’ny CFM fa ny fifampiresahana hatrany, ny fifampiresahana ihany no antoky ny filaminana sy ny fampandrosoana (dialogue, apaisement, stabilité politique et développement). Tokony hahay maka lesona tamin’ny zavatra nitranga teo aloha ny mpiray tanindrazana, singanina manokana amin’izany ireo krizy maro samihafa  nifandimby teto amin’ny firenena, izay namela takaitra tokoa na teo amin’ny lafiny politika, sosialy, toe-karena. Moa ve kolo-tsaina tia ady sy fifandrafesana, feno valifaty (culture de vengeance) no ho volena eto amintsika ? Ny tena loza aza dia misy ireo maneho fihetsika, manao fanapahan-kevitra sy fanambarana miendrika adi-poko. Misy mihintsy amin’zao fotoana izao  ny fandroahana ireo olona tsy iray fiavina ami’ny tena. Aoka re tsy hilalao afo isika, mora ny mandrehitra fa ny mamono sarotra dia sarotra. Koa mbola averinay hatrany fa ny fifampiresahana ihany no afahantsika misoroka ary mamaha izay olana sy disadisa mety hitranga eto amin’ny firenena, ka izany dia tokony ho ao anaty ny fihavanana tanteraka, ka hanjaka hatrany ny culture de dialogue sy ny culture de tolérance.

Izany indrindra no nahatonga anay teto amin’ny CFM, namolavola fehinkevitra nandravonana ireo dinik’asa izay nataonay manerana ny Nosy. Teo ihany koa ny fifampidinihana tamin’ireo raiamandreny ara-politika, ny fiarahamoni-pirenen, ny raiamandreny ara-pinoana sy ara-drazana, ny mpitondra fanjakana sy ireo mpanohitra, nentina namalavola izany  fehinkevitra izany. Natolotra ireo tompon’andraikitra mahefa, mba hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra : efa voatolotra  ny an’ny CENI, ary amin’ny Alakamisy ho avy izao ny an’ny HCC, mbola hitohy eo anivon’ny ministera ny Atitany, ny ao amin’ny parlemanta, ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra.

Momba ny « Réseaux sociaux » : miantso ny tompon’andraikitra mahefa mba hanao fifampidinihana,  mba hiantso ny herivelona rehetra hifampidinika mikasika ny fampiasana ny réseaux sociaux indrindra ny Facebook. Hita fa ity fitaovan-tserasera ity dia misy tombontsoa lehibe nefa tsy azo adinoina koa ny voka-dratsiny. Noha izany zahay eto ami’ny CFM dia mahatsapa fa tokony hisy aro-fanina (balises) ny fampiasana azy io mba ahafahana hametra ny voka-dratsiny.

Momba antsika CFM manokana sy ny iraka nampanaovina antsika, anjaratsika no mamaly ny fanotaniana hoe aiza ho aiza ny fanatanterahana ireo iraka nampanaovina ny CFM, inona ny tratra inona ny mbola tsy vita. Singanina eto ny vina momba ny famahana ny olona ateraky ny fifindramonina anatiny, eo ihany koa ireo antontaratasy momba ny famotsorankeloka, ny fampihavanana ara-tantara izay natomboka tany Ifandana, ny fametrahana ny espace de dialogue isam-paritra, ny fametrahana ny fihavanana ho lasa vakoka iraisam-pirenena…