CFM - Madagasikara

FIHAONANAN’NY CFM SY NY « PLATE-FORME REGIONALE » HO AMIN’NY FANOVANA NY LALAM-PANORENANA

Ikambanana Antoko politika 20, izay tarihin’ny Bezaza Eliana, ny « plate-forme régionale » izay noraisin’ny Filohan’ny CFM, MAKA Alphonse, notronin’ ny Filoha lefitra avy amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa, Raotosamy Honoré, tao amin’ny toeram-piasany Ampefiloha ny zoma 25 martsa teo.

Taorian’ny Fihaonana dia nanazava ny Filohan’ny CFM :

« Isaoranay ry zareo avy ao amin’ny plate-forme régionale, izay tonga taty am CFM nitondra ny vokatry ny asan-dry zareo momba ny lalam-panorenana ho amin’ny « Etat régional », mba ho fandraisan-dry zareo anjara hitondra filaminana eto amin’ny firenena. Zava-dehibe tokoa izany amin’ny maha mpanao politika azy ireo, satria fantatsika moa fa ny roa amin’izy ireo dia efa nilatsaka ho fidina ho filoham-pirenena tamin’ny fifidianana farany teo. Ny hevitra tsy azo tsy amin’olona, ary ny fifampiresahana ihany no tena zava-dehibe ».

Ny tolo-kevitry ny plate-forme régionale moa dia momba ny fanapariaham-pahefana hananan’ny faritra rehetra tombotsoa, ka tsy hisy ny tombo sy hala.

Raha nanohy ny fanazavany ny filoha ny CFM, dia nanoritra hoe « noararaotina izao fihaonana izao nanolorana ny anjara birikinay CFM, dia ny boky mirakitra ny tolo-kevitray momba ny hisian’ny fifidianana tony, mangarahara ary eken’ny rehetra, izay mitondra ny loha-teny hoe « Le Soatoavina malagasy, source d’apaisement ».

Teo am-pamaranana dia hoy izy : « Maromaroa ny ohatraizao, mitondra hevitra hanatsarana ny firenentsika ».