CFM - Madagasikara

HCC Ambohidahy 03.02.202

Fitsidihana amin’ny fomba fifanajana nataon’ny Mpikambana amin’ny CFM, tarihin’ny Filohany MAKA Alphonse, ireo Filoha lefitra avy any Antsiranana JEAN,  Antananarivo RAMAMIMAMPIONONA Gérard, Mahajanga ZALIFA Bente Salim, Fianarantsoa Raotosamy Honoré, Toliara Latimer RANDRIANASOLO, ny mpapakateny lefitra RAZAFINDRAVOLA Virginie, ary ny Sekretera Mpanatanteraka, RAJAONARIVELO Théogène.

Nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny filohan’ny HCC izy ireo ary nanolotra koa antontan-kevitra momba ny hisian’ny fifidianana madio, mangaraharaha ary eken’ny rehetra an’ity Andrim-panjakana ity, tohin’izay efa natao teny amin’ny CENI.

Ny anton’izao hoy ny filohan’ny CFM diany mba « hialana amin’ny kirizy lavareny saika vokatry ny fifandirana eo amin’ny fifidianana. Anjara andraikitray CFM no misoroka  ny disadisa manodidina ny fifidianana. Ary ny HCC fantatsika ny anjara andraikiny eo amin’ny fifidianana, andrimpanajakana lehibe mpamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana. Izay no nahatonga anay CFM niangavy fiarahamiasa am’ny HCC, mba hisian’ny fitoniana eto amintsika, mba hisiany fitoniana eto amin’ny firenena, nizarana izay fehin-kevitra novolavolainay ».

Nanoritra koka ny filohan’ny HCC hoe « Manana anjara toerana lehibe tokoa ny CFM eo amin’ny disadisa efa nitranga, sady hisorohana ny disadisa ho avy mba hisian’ny fitoniana. Ka ny fehinkevitra ny CFM ho fanatsarana ny tontolo politika milamina dia raisina an-tanandroa. Ny HCC kosa dia efa nanao fanamby hanao izay tatry ny ainay tokoa hiasa ao anaty ny fahamarinana sy ao anatin’ny fanarahan-dalana tanteraka sy fanajana ny Lalampanorenana, mba hialana amin’ny disadisa sy ahiahy amin’ny valim-pifidianana. Hiara hiasa amin’ny CFM zahay mba hisian’ny fifidianana madio, dia isaorana betsaka ny tolo-tanany.

Tetsy andaniny, ny Filohan’ny CFM dia nanoritra fa ny fifampiresahana ihany no mampilamina, izay ny foto-kevi-dehibe ao anatin’io antontan-kevitra naroson’izy ireo io. Ny fampihavananapirenena moa izany dia tsy hoe andravina foana ny disadisa efa misy fa misoroka koa.

Ary farany dia nampatsiahy ny filohany HCC, Rakotoarisoa Florent fa « ny CFM dia tsy mpandamina ny disadisa ara-politikafoana. Ohatra izany ady ara-poko . Ka amin’ny maha zanak’Amboasary Atsimo ny tenako, dia isaorako manokana eto ny Filohan’ity Andrimpankana ity sy ireo mpiara-miasa aminy. Satria nisy disadisa tamy foko anakiroa tany Amboasary Atsimo, any amin’ny Kominina Marotsiraka,  nahafatesana olona maro, nifamono ireo foko anankiroa nandritra ny taona amaro. Ka rehefa nidina tany ny CFM dia niravina io disadisa io. Ka eto aho dia manolotra fankasitrahana feno ity Andri-panjakana ity sy ny Filohany. Koa tohizo ny asanareo ao amin’ny CFM satria na disadisa ara-poko ihany koa fa tsy ny ara-politika ihany dia manakana ny fampandrosoana any amin’ny faritra iray.