CFM - Madagasikara

ATRIK’ASA « Fihavanana, Soatoavina iainana, Fanoitra ho amin’ny Fandrosoana » 12/12/2019

Commune Andriambilany, District Ambatolampy, Faritra Vakinakaratra (12.12.2019)

Colloque national nokarakarain’ny CFM. Nosafidina manokana ity Kominina ity noho ny fiarahamonina ao tena hafa mihintsy izay mbola tena mitana ny fifanajana sy ny fihavanana (Une commune modèle dans la citoyenneté).

Mpandray anjara : ny delegasionan’ny CFM izay notarihin’ny filohany sy ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kominina Andriambilany notarihin’ny Ben’ny tananà, sy ireo fokonolona vory maro be, ary ireo manampahefana toy ny sefo Disitirikan’ny Ambatolampy, ny solotenan’ny lehibean’ny Faritra Vakinankaratra ary ny « Préfet » Antsirabe.

Lohahevitra : « Fihavanana, Soatoavina iainana, Fanoitra ho amin’ny Fandrosoana »

Inona moa io Atrikasa io ?

Fanazavana :

  • Inona ny Atrikasa natao Androany

LOHAHEVITRA : « Fihavanana, Soatoavina iainana, Fanoitra ho amin’ny Fandrosoana »

Tsy azo iadian-kevitra fa tsy hiroso ho any amin’ny fandrosoana mihintsy ny Firenena iray raha toa tsy misy filaminana eo aminy.

Lazaina fa ny « Fihavanana » dia tsy misy mpanana fa mampiavaka ny Malagasy. Toa mijanona ho teny (« théorie ») fotsiny ihany izany rehefa jerena ny zava-misy eto Madagasikara.

  • Koa inona ary ahona no hatao mba tena hiainana andavanandro, amin’ny fomba azo tsapain-tanana izany hoe Fihavanana izany ? ary rehefa hita ny fomba dia rahoviana izany no hatomboka sa sanatria hiandry taranaka mifandimby tsy manam-petra ?
  • Naona no aty Andriambilany ? Izy no Kaominina ohatra velona miaina andavanandro amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny Fihavanana. Ny mponina ao aminy ?
  • Mpiara-monina mbola tia miara-monina « le voloir-vivre ensemble ».
  • Mpira-monina mahatsapa ka izy ireo mihitsy no milaza fa miaina amimpilaminana « sécurité » sy anatin’ny tontolo madio. Porofo : azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny disadisa miakatra fitsarana.
  • Mponona mazato mandoa hetra (taham-pandoavan-ketra modely).
  • Izay zaza rehetra voateraka dia voasoratra avy hatrany amin’ny sora-piankohonana, ny maty koa torak’izany, hany ka tsy mila midina any an-toerana akory ny fitsarana mitety vohitra (audiences foraines) hamoaka didy misolo kopia nahaterahana na nahafatesana (jugement supplétif d’acte de naissance na d’acte de décès).
  • Fa inona àry no nataon’Andriambilany nahatongavan’izy ireo tamin’izany ?

Tsy tetikasa nentina avy any ivelany, toy ny « projet » mahazatra fa niainga avy taty an-toerana, araka ny fomba sy toe-tsaina itiavan’ny mponina azy. Nanangana sehatra ifampiresahana izy ireo ary antsoiny hoe KIANJA izany (Trano maromaro mifanakaiky : manana Kianja iray) ka eo no mifampiresaka

Eo amin’ny Kianja no ilazana ny vaovao rehetra tokony hampitaina (ny nampiasana ny hetra naloa sns…) ary eo koa no hampitan’ny mponina izay resaka tiany atao amin’ny Ben’ny tanàna. Masina ny Kianja ka tsy azo hadaingana, tsy azo hanaovana fampielezan-kevitra sns…

Atrikasa miavaka izy ity satria na ny CFM aza no tompon’ny fanasana dia tsy izy velively no nitondra ny fanazavana fa ny marina dia naka lesona ny CFM, liana loatra ny amin’ny hoe hay mbola manana ilay fitiavana miara-miana ny Malagasy ary aty Andriambilany no misy izany ! Aorian’izao dia hojerena ny fomba hitondrana izany soa teto sy ny mety hampiarana azy any amin’ny Kaominina hafa eto Madagasikara, araka ny zava-misy mampiavaka azy ireo tsirairay avy, satria manenika ny Faritra 22 ny CFM

Témoignage sefo fokontany nandritra ny colloque national : « Ny kianja maitso dia toerana fakan-kevitra sy fampitana hevitra amin’ny vahoaka. Eo an-kianja afaka miteny daholo na kely na lehibe, tsy misy tompon’andraikitra fa mpandrindra fotsiny (3). Raisoko ohatra ny Rano fisotro madio voalohany dia teo no nakana ny hevitry ny vahoaka, ny amin’ny laharam-pahamehana tadiaviny. Ny zavatra rehetra angatahan’ny vahoaka eto amin’ny kominin’Andriambilany dia tsy azo tanterahina raha tsy lany teo an-kianja satria mety tsy hifanaraka amin’izay filan’ny vahoaka. Eo ihany koa ny fananganana ny CEG (niarahana tamin’ny mpamatsy vola), ny fananganana terrain izay tsy nangalana fanampiana tany amin’ny hafa fa herim-pon’ny fokonolona madiodio, fa ny tena lehibe indrindra dia ny fiovan’ny foto-pisainana teto amin’ny fokontany misy anay. Misy koa fanentanana hikajy foto-drafitrasa eny ankianja ».

Marihina fa ny kominina Andriambilany sy ny Projet LANONA no niara-niasa nampitsangana ny « kianja maitso ».

Marihina fa ny Kianja maintso dia soatoavina tena malagasy, efa nampiasain’ny malagasy teo aloha no naverina indray. Isam-bolana farafahakeliny dia tonga eo ny fokonolona, mifampizara vaovao (tena rafitra démocratie directe)

Soatoavina malagasy, rafitra, toerana ny kianja :

Taorian’ny fotoana ny nitafa tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny CFM : « Nidina aty andriambilany-Ambatolampy, faritra Vakinakaratra, izay Commune modely satria anjakan’ny filaminana, modely amin’ny resaka fifandraisan’ny samy mpiara-monina. Misy akon’ny izany eo amin’ny resaka fandoavan-ketra sy ny fahasalamana, indrindra amin’ny resaka kopia ny zaza. Ireo rehetra ireo dia niainga tamin’ny soatoavina mahamalagasy dia ny fisian’ny atao hoe kianja, eo an-kianja no fiarahana midinika raha tsorina dia misy demokrasia direct, satria eo no iresahana ny fiainan’ny fokontany, ny fampandrosoana ny Commune ka saika voaravina eo avokoa ny disadisa raha misy. Eo koa no andinihana ny mikasika ny volavolam-pampandrosoana (projet de développement), na ho an’ny fokontany na ny an’ny Commune, ka izay no mahatonga anay ato amin’ny CFM mifampizara traikefa amin’ny ity Commune ity mba ahafahana mitondra izany koa amin’ny faritra hafa ».