CFM - Madagasikara

FANAMBARAN’NY FILOHAN’NY CFM HO AMIN’NY FIATREHANA NY FIFIDIANANA BEN’NY TANANA SY MPANOLO-TSAINA (Alatsinainy 04/11/2019)

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Afaka fotoana fohy isika dia hiatrika ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy mpanolo-tsaina ny tanana, fifidianana ho marikin’ny demokratia sy ny fitsinjaram-pahefana, koa manentana antsika mpiray tanindrazana rehetra hanefa ny adidintsika amin’izany fotoan-dehibe izany.

Manaraka izany tsy ho ela isika dia hanaraka ny fotoana fampielezan-kevitra, fotoana ahafahan’ny kandida mizara amintsika ny programan’asany. Ka eto izahay ao anatin’ny CFM dia miangavy, ary maniry koa raha maniry antsika handrindra an’izany fampielezan-kevitra izany ao anatin’ny fitoniana, firahalahina, ary indrindra indrindra amin’ny fanajana ny soa toavina maha malagasy dia ny fihavanana. Entanina koa isika rehetra mba hanaja ny lalana velona eto amintsika, fa ao anatin’ny fanajana ny lalana no ahafahantsika manaja ny demokratia. Koa miangavy antsika kandida sy mpanohana ny kandida mba samy hanao ny fampielezan-kevitra am-pitoniana, mba afahantsika mampandroso ny firenentsika, satria ao anatin’ny fitoniana no afahantsika miatrika ny asa fampandrosoana.