CFM - Madagasikara

FITSIDIHANA ARAK’ASA NATAON’NY MPIKAMBANA CFM, RAMATOA RASOAMANIRY, TANY AMIN’NY DISTRIKAN’AMBANJA(3 oktobra – 13 oktobra 2019)

FIHAONANA AMIN’NY TANORA TEO ANIVONY KIADY MADAGASIKARA.

Lasy Kiady Madagasikara faha-85 tao Ambanja. Nohararaotin’ny « KOMITY NY FAMPIHAVANANA MALAGASY » ity fihaonamben’ny Tanora ity mba hitafana amin’izy ireo momba ny asa fampihavanana ataony.

Nisy ny kabary nifandimbiasan’ny solontenam-panjakana tany an-toerana, nandritra ny andron’ny fanokafana ny 7 oktobra 2019, ka anisan’izany Ramatoa Mpikambana ao amin’ny CFM, Rasoamaniry. Nosoritany fa mpandray anjara mavitrika amin’ny fanajana ny soatoavina malagasy ny tanora, ka anisany ny kiady Madagasikara. « Tsy tokony havela ho very ny soatoavina malagasy, dia ny fihavanana fa fanohitra iray enti-mampandroso ny firenena », hoy izy, ary nanipika koa fa « mpitarika fotsiny  ihany ny Komity ny Fampihavanana malagasy fa isika rehetra no ilaina hitandro izany soatoavina izany mba ho tafaverina ny fihavanana malagasy izay mila tsy ho hita taratra ankehitriny ».

Raha nanohy ny kabariny Ramatoa Rasoamaniry dia nasongadiny fa anisan’ny soatoavina ny kolotsaina isaky ny faritra izay mampiverina ny firaisankina malagasy manerana ny Nosy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fitampoha, sarabe, sambatra, taolaza, tsangambato, feraomby ka anjarantsika kiady vonona ny mamelo-maso azy.

Nanararaotra izao fihaonana tamin’ny tanora izao koa ity Mpikambana ao amin’ny CFM niresadresaka momba ny fifidianana kominaly ho avy izao, eto amintsika. « Samy manana ny andraikiny ny sampan’asa rehetra voakasiky ny fifidianana, fa ny an’ny CFM manokana dia ny mitarika ny dingana ho amin’ny fitoniana ». Marihina moa fa ny CFM dia tsy mitsahatra manao antso avo ho an’ny fitoniana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Antso miantefa amin’ny mpilatsaka ho fidina, ny mpomba azy ary ny vahoaka manontolo, mba samy hanao ny fampielezan-kevitra ao anatin’ny firahalahina tanteraka.