CFM - Madagasikara

Fandraisana ny antota-taratasin’ny TRIPLE A 30/09/2020

Ny andron’ny Alarobia 30 septembre 2020, ny solontenan’ireo mpiasa sy mpandraharaha ao amin’ny Triple A, orin’asa nakaton’ny Fanjakana vonjimaika noho ny tsy fandoavan-ketra dia noraisina tao amin’ny CFM izay vonona lalandava hihaino ny fitarainan’ireo mahatsiaro ho niharam-boina tamin’ny krizy 2009. Ny Député Hanitra Razafimanantsoa no nitondra tenin’izy ireo.

Hoy ny Député Hanitra Razafimanantsoa « Ny antony ahatongavanay dia hitady ny tohiny fifanarahana tao anatin’ny Feuilles de route, fantatray fa tsy mora ny mahazo anareo ato amin’ny CFM. Tato ho ato anefa misy ny antsojay mahazo ny orinasa Triple A, ka tonga eto izahay hanao fitarainana. Misy ny fitakiana vola na hetra ataon’ny fanjakana amin’ity orinasa mampiasa olona maro be ity. Maro be izany ireo niharam-boina noho ny krizy politika. Amin’ny anaran’ny fampihavanam-pirenena no atongavanay, hitaky ny fanonerana (indemnisation) an’ireo niharam-boina ».

« Nisy ny fanidiana ny orin’asa Triple A, izay tsy misy nidiran’ny zava-nitranga 2009 dia ny Triple A izany, fitakiana hetra amin’ny orinasa izay anisan’ny nihara-mboina lehibe indrindra tamin’ny krizy 2009. Aleo iverenana ny tantara, ainareo ato amin’ny CFM no vavolombelon’ny fampiharana ny feuilles de route. Mitaky trosa ny fanjakana ankehitriny, fa ny tena anjara andraikiny anefa raha ny fampiharana ny feuille de route dia ny fanarenana (réparation) ny takaitra navelan’ny krizy 2009. Mitondra antota-taratasy ho fanamarinana izahay , manampy ny efa napetraka tamin’ny andron’ny FFM. Efa nisy ny « expertise » nataona cabinet d’expertise ara-dalàna tamin’ny zavatra simba sy nopotehina sy ny zavatra rehetra natao tamin’ny groupe Tiko. Fitakiana ny zo no ahatongavana eto ».

« Ankehitriny misy fitakiana hetra amin’ny Tiko. Ny zava-misy dia nikatona ny groupe Tiko depuis 2009, fa nisy mpandraharaha malagasy dia ny Triple A, izay samihafa mihitsy amin’ny groupe Tiko, nandray antanana azy. Tsy any amin’ny Triple A no tokony ho takiana ny trosa an’ny Tiko. Raha 150 milliards no tokony ho takiana amin’ny Tiko, dia 1 461 milliards mahery kosa no ananan’ny Tiko amin’ny fanjakana vokatry ny fahapotehana. Iza ary izany no manambola amin’iza, iza no tena niharam-boina. Marihina fa mbola mitohy hatramin’izao ny fandrodanana ny tranon’ny ny Tiko. Lavitra dia lavitra ny fampihavanampirenena amin’izao ».

Ny Tale jeneralin’ny Tiko no nalotra ny antonta-taratasy ary nanoritra fa « manomboka androany dia mitodika any amin’ny Tsimbazaza ny maso, satria antenaina fa mba hiditra amin’ny loi des finances 2021 ny momba ny indemnisation sy réparation ».

Fa hoy kosa ny filohan’ny CFM, raha nandray anjara fitenenana « misaotra antsika, tonga am-pilaminana, araka ny fombantsika malagasy. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Mivoha ny varavaranay CFM ho an’ny rehetra. Efa ato avokoa ny antota-taratasy voalaza fa napetraka tamin’ny andron’ny FFM, miampy ireto vao naterinareo. Anjaranay CFM tokoa izany, aty no hany rafi-panjakana mandinika ny amnistie, réparation, indemnisation, nefa voafehy ny lalana zahay ».

Marihina hoy izy fa « tsy maintsy atsangana ny  FNS (Fonds national de solidarité), ahafahana manohy ny asa amin’ny fandoavana ny fanonerana sy ny fanarenana (indemnisation et réparation). Tsy maintsy misoratra ao anaty loi des finances ny anjaran’ny fanjakana amin’io FNS io . Anjaranareo olom-boafidy mpanao lalana no mampatsiahy izany. Raha tsy misy ny FNS, tsy afaka mihetsika ny CFM ».