CFM - Madagasikara

FITILIANA FAOBE PCR TETO AMIN’NY CFM (Alakamisy 10.09.2020)

FITILIANA FAOBE PCR TETO AMIN’NY CFM (Alakamisy 10.09.2020)

CFM : Test au coronavirus

Ny mpikambana rehetra ato amin’ny CFM (birao maharitra sy Mpanolotsaina) ary ny mpiasa rehetra eto anivon’ny Sekretera mpanatanteraka sy ny Kabinetra, dia nanatanteraka fitiliana faobe na test collectif PCR mikasika ny COVID-19. Izany dia niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary notanterahina androany 10 septambra 2020 nanomboka tamin’ny 9ora maraina teto amin’ny foibe ny CFM Ampefiloha.

Tonga maro ny mpiasa ary nanoritra ny Filohan’ny CFM, MAKA Alphonse fa « manoloana izao valan’aretina misy eto amintsika izao dia nanapa-kevitra ny CFM, nangataka tamin’ny ministeran’ny Fahasalamana mba hanao fitiliana faobe. Ny antony dia mba ahafantarana ny toe-pahasalaman’ny tsirairay, mba ahafahanao miaro ny tenanao, ny ankohonanao, ny mpiara-belona aminao. Anisan’ny fandresena sahady ny fahafantarana ny toe-pahasalamana, ary vetivety dia ho resy tanteraka ity valan’aretina ity izay hita fa efa resy ihany amin’izao, izany dia mba ahafahantsika miatrika ny fampandrosoana amin’izay. Raha mijanona amin’izao isika dia mitombo ny voka-dratsy eo amin’ny toe-karena ».