CFM - Madagasikara

FIHAONANA CFM – FEDEP (Fédération des ex-détenus politiques) ZOMA 02.10.2020

FIHAONANA CFM – FEDEP (Fédération des ex-détenus politiques)

 

Ny zoma (023.10.2020) teo no noraisin’ny CFM, ireo mpikambana ao amin’ny FEDEP izay notarihin’ny Filohany.

Ny andaniny avy amin’ny CFM dia notarihin’ny Filohany, MAKA Alphonse, ny filoha lefitra avy an’ny Toamasina, RASOLONDRAIBE Jean Jacques, RABEMANANJARA Charles, MAMPISANJY Michel, filohan’ny komisionina indemnisation, ny filohan’ny komisionina « vérité et pardon », ANDRIANJAVA Serge, Ramatoa RASOAMANIRY, mpikambana ao amin’ny Komisionina « vérité et pardon »

 

Raha nanokatra ny fihaonana ny filoha Maka Alphonse, dia nanoritra fa « tsara ny mifampiresaka mivantana. Vonona izahay ato amin’ny CFM hiara-mifampidinika amintsika FEDEP, ary tsara indrindra izao fa tsy any amin’ny haino aman-jery no mifampiresaka ».

Ny mpikambana ao amin’ny FEDEP, tarihin’ny Filohany dia nanoritra fa « miala-tsiny izahay raha any amin’ny haino aman-jery izahay no hita. Satria zahay nihevitra ny CFM ho tsy mihaino ny fangatahanay, teo koa moa ny fotoanan’ny fihibohana ka tsy afaka nihaona isika. Izahay anefa dia maneho etoana fa te hanampy ary mazoto izahay hanampy raha misy azonay atao. Momba ny « avant-proje »t roa izay efa natolotry ny CFM ny Mpanatanteraka moa, dia efa nanaraka io dossier io izahay araka ny nifampiresahantsika teto. Nandeha tany amin’ny fiadidiana ny Praiminisitra izahay fa ny Talen’ny kabinetra no nandray anay, ny teny amin’ny prezidansa moa mbola tsy nivaly ny fangatahana fihaonana, ny filohan’ny Assemblée nationale sy ny filohan’ny Senat no hany nandray anay. »

« Tonga eto izahay hanontany ny fandehan’ny avant-projet de décret d’application. Aiza ho aiza ? Mbola misy antenaina ve ?

Depuis 2002 no efa nisy ny niharam-boina ara-politika ka somary efa reraka izahay. Efa ela loatra ny fikarakarana ny antotataratasinay. Mangataka anareo hisolo tena anay eo anivon’ny fitondram-panjakana, satria ny antotataratasinay efa feno tanteraka ary efa aty aminareo. Aiza no sakana ? »

Namaly ny Filohan’ny CFM : « tsapanay tokoa fa mafy ny manjo anareo, ary tsy sanatria manao izay hampitarazoka ny antotataratasinareo izahay. Voafetran’ny lalana izahay. Mifandray amin’ny andrim-panjakana izahay, saingy misy ny principe de séparation de pouvoirs. Izahay, tsy mahazo manara-maso ny asan’ny Governemanta (contrôle de l’action gouvernementale) na manao interpellation. Anjaranay tokoa ny indemnisation sy ny réparation, fa miandry ny didim-panjakana izahay ».

Nanoritra ny filohan’ny CFM fa « efa 1287 antotataratasy no eto ampelatananay nanomboka tamin’ny andron’ny FFM ka hatramin’izao, mikasika ny « réparation » sy ny « indemnisation ». Eo amin’ny dingan’ny fanadihadiana (investigation) izahay izao, mahakasika ny « préjudice moral, physique et financier ». Didim-panjakana anefa ny mametraka ny « principes » sy ny « modalités d’indemnisation », ka miandry an’io izahay mba ahafahana miroso lalin-dalina kokoa. Tsy misy hatramin’izao, ka nana-pakevitra izahay hanampy ny Governemanta, nanolotra avant-projets de décret d’application roa ».

Momba ny « Fonds national de solidarité » na ny FNS, hoy ny filohan’ny CFM « io FNS no afahana manohy ny asan’ny CFM saingy miandry didim-panjankana ny fananganana azy, ary mbola miandry hatramin’izao. Tsy maintsy voafaritra ao amin’ny Loi des finances ny fandraisan’ny fanjakana anjara, mbola tsy misy sora-bola ho amin’izany. Ary marihiko fa ny fangatahana apetraka eto amin’ny CFM dia telo taona aorian’ny fijoroan’ny CFM no fara-fandraisana azy. Ny fara-fandraisana no mifarana eto fa ny fikirakirana ny antotataratasy efa voaray mitohy. Ilaina ny manipika izany mba hanalana ny ahiahinareo ».

Nomarihin’ny mpikambana ao amin’ny FEDEP fa raha nihaona tamin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona izy ireo dia nilaza ny filohan’ireto farany fa « ny asanay hoy izy ireo efa vita satria nandany ny lalana 2016-037 io izahay, fa anjaran’ny Mpanatanteraka no sisa manao ny didimpanjakana fampiharana ».