CFM - Madagasikara

FAMELABELARAN-KEVITRY NY DOCTEUR JEAN CLAUDE RATSIMIVONY, FILOHA TALE JENERALY NY GROUPE JCR, TEO ANOLOAN’NY FIVORIAMBE NY CFM 15-06-2020

15.06.2020

FAMELABELARAN-KEVITRY NY DOCTEUR JEAN CLAUDE RATSIMIVONY, FILOHA TALE JENERALY NY GROUPE JCR, TEO ANOLOAN’NY FIVORIAMBE NY CFM

 

Fihaonana ara-pirahalahina tanteraka no nifanaovana taminizao famelabelaran-kevitra izao, mikasika ny fiarovona amin’ny fihanaky ny COVID-19.

Famaliana ny antso izay nataon’ny Filoham-pirenena no tena nampitombo hatrany ny finiavan’ny Filoha tale jeneralin’ny Groupe JCR, ny amin’ny fikarohana izay efa natao hatrizay ka hatrizao. Izany ihany koa no nahatonga ny filoha ny CFM nangataka izao fotoana izao, hifampizara’ny CFM traikefa amin’ny Docteur Jean claude Ratsimivony.

Iaraha-mahalala fa manampahaizana amin’ny resaka fitsaboana amin’ny alalan’ny fampiasana ny raokandro malagasy ny tenany.  Noho izao vanim-potoana ny covid-19 izao dia niampy ny fikarohana izay nataony ho entina misoroka sy miaro, mba tsy ho lasa lavitra izao valanaretina izao. Nentiny tamin’izany ny « baume fosa » sy ny « gel désinfectant » na « solution main », izay vokarin’ny Groupe JCR ary vita avy amin’ny  zava maniry avokoa. Nanamafy izy fa tsara ny fitsaboana avy amin’ny zava-misy eto amintsika fa tsy miankina foana amin’ny avy any ivelany. Namafisiny fa anisany fisorohana tsara amin’zao valanaretina izao ihany koa ny fanasana tanana matetika ary ny fampiasana ireo vokatry ny orinasany tsy tokony hanakana velively io fahazarana io.

Taorian’io fihaonany tamin’ny mpikambana tamin’ny CFM io, dia nizara « gel désinfectant » sy « baume fosa » ho an’ireto farany ny Groupe JCR tarihin’ny filohany.

Taorian’ity fotoana ity, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny CFM dia nanamafy ny fihaonana ara-pirahalahina tamin’izy ireo sy ny Tale jeneralin’ny Groupe JCR, ary nanoritra fa « mbola mihatra daholo ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19 amin’ny faritra rehetra mbola voakasika, indrindra ny fanasana tanana matetika na ny fampiasana « solution main ». Ny vokatra ny Groupe JCR dia manampy amin’izany. Nampahafantatra ireo vokatra ireo ry zareo avy amin’ny Groupe JCR. Marihina fa izany dia araka ny antso nataon’ny filoham-pirenena amin’ny mpikaroka malagasy rehetra, amin’ny fifanomezan-tanana amin’izao aretina izao. Izahay ato amin’ny CFM moa miparitaka eran’ny Madagasikara ka afaka mampahafantatra tsara ireo vokatra ireo amin’ny mpiray tanindrazana ».

Nanoritra ny DG ny Groupe JCR fa « azo anaovana evoka, na osorana amin’ny tratra amin’izao andro mangatsiaka izao ny « baume fosa », raha vao mitranga ny « premiers symptômes » na grippe, na aretina hafa toy ny coronavirus ».