CFM - Madagasikara

Fianarantsoa, Alakamisy 20/02/2020 (Lapan’ny Faritany Andohanantady) « SEHATRA IFAMPIRESAHANA ato amin’ny FARITANY FIANARANTSOA » (SIFF)

Fianarantsoa, Alakamisy 20/02/2020 (Lapan’ny Faritany Andohanantady)

« SEHATRA IFAMPIRESAHANA ato amin’ny FARITANY FIANARANTSOA » (SIFF)

Olona nanatrika :

Solontenan’ny Fiadidiana ny Repoblika

Filohan’ny CFM

Governoran’ny Faritany Fianarantsoa

Ny Préfets rehetra tao amin’ny Faritany Fianarantsoa

Ireo Députés avy ato amin’ny Faritany Fianarantsoa sy Maires maromaro

 

Kabary fanokafan’ny Filohan’ny CFM, MAKA Alhonse

« Izao atrikasa izao dia manandanja tokoa satria anisan’ny mampitaraina antsika ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Velirano voalohan’ny Filoham-pirenena rehateo izy io ary anisan’ny fomba fitondran’ny CFM ny anjara biriky amin’ny famahanana ny olan’ny tsy fandriampahalemana izao. Isaorana manokana ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, mamatsy ara-pitaovana ny mpitandro filaminana izay manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa. Tokony hampiana izy ireo fa tsy avela irery, anton’ity dinika androany ity izany. Rehefa tsy mifampiresaka dia miady, koa izany no anton’izao fifampiresahana izao, ao anatin’ny kolontsaintsika malagasy rahateo ny fifampiresahana, tsy misy olana tsy voavaha rehefa mifampiresaka ».

« Tokana ny fahavalo dia ny fahantrana, tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy misy fandriampahalemana. Izany no nahatonga anay hisafidy ny fifampidinihana hiadiana amin’ny fahantrana. Koa mirary antsika hahita fahombiazana amin’ity atrik’asa ataontsika androany ity. Marihiko fa fanombohana ny eto Fianarantsoa fa hitarintsika eran’ny Madagasikara izao sehatra izao ».

« Marihina fa efa nifampiresahana tamin’ny Filohan’ny Repoblika izao sehatra ifampidinihana izao izahay raha niarahaba azy tratrin’ny asaramanitra, ary namporisika antsika ifarimbona amin’izany izy. Izay angamba no nanirahany manokana ny solontenany manatrika eto, mba hanafisana orina ny fifankatiavan’ny samy malagasy. Ary enga anie ity atrikasa ity mba harahin’asa tokoa ».

Taorian’ny fanokana dia niara-nitafa tamin’ny mpanao gazety ny filoha lefitry ny CFM avy amin’ny faritany Fianarantsoa Rahotosamy Honoré izay mpikarakara sy tompon’andraikitra voalohan’izao atrikasa izao sy ny Filohan’ny CFM, ka hoy indrindra izy ireo

  • VP Fianarantsoa :

« Ny CFM moa dia voarafitry ny rijan-tenin-dalana 037/2016 ny fananganana azy ho Rafim-panjakana, voalaza ao koa ny resaka fampihavanana, indrindra ao amin’ny Lalampanorenana. Ity sehatra ifampidinihana ity koa dia voarafitry ny lalana mazava tsara ao anatin’ny CFM. Misy ny dingana narahina tsotsotra, fifanantonana sy fanentanana ny olona ary ireo atrik’asa maromaro nakana ny hevitry ny olona sy dingana maromaro narahina namoahana fehinkevitra anankiray tao anatin’ny atrik’asa ny 26 novembre 2018. Nitsiry ny tahirin-kevitra hoe tsara raha atsangana ity sehatra ifampidinihana ity ahafahana mamaha olana maro, indrindra ny ato amin’ny faritra, afahana mizatra toe-tsaina mahay miady hevitra ka ialana amin’ny adilahy indrindra politika ».

« Tanteraka androany ny fampivondronana ireo dingana natao tamin’ny faritra 5 ato anatin’ny Faritany Fianarantsoa. Ny tahirin-kevitra izay voalaza tamin’ny atrik’asa indimy miantoana no avondrona androany. Ao anatin’ny fahasamihafana tanteraka izany araka ny toerana niaviana, andraikitra, fomba amam-panao isam-paritra, finoana, soatovina sy kolotsaina, saingy mifanotrona ao anatin’ny fampandrosoana.  Angatahina eo anivon’ny CFM ny fankatoavana ny teti-bola hametrahana izao sehatra izao eny ifotony, eny amin’ny kominina ato amin’ny faritany Fianarantsoa ; ary maninona moa raha atao eran’ny Madagasikara mihintsy. Izany dia mba ahafanatsika miroso amin’ny firaisankina, ary mba tena iainana tokoa izany.

  • Filoha CFM :

« Ity atrikasa ity dia anisan’ny vinasa ny CFM amin’ity taona 2020 ity. Ny fifampidinihana dia afaka iadiana amin’ny olana maro samihafa, toy ny tsy fandriampahalemana, ny ady tany, sns. Ohatra velona ny zava-misy azo alain-tahaka ao amin’ny Kominina Andriambilany-Distrika Ambatolampy Vakinankaratra, miaina izany fifampidinihana sy fifampiresahana hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Hitarina eran’ny Madagasikara izy io, afahantsika mandravina ny olana na ara-politika, na ara-drazana na ara-tsosialy ».

Raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny fanonerana eo anivon’ny CFM ny Filoha Maka Alphonse dia nanoritra fa « mikasika ny fanonerana dia voalazan’ny lalana fa anjara andraikitry ny CFM (ny indemnisation, ny réparation ary ny amnistie). Nomenan’ny lalana anay ny mandinika ny antonta-taratasy mikasika ireo. Ary raha mikasika ny indemnisation manokana dia 1300 eo ny antontan-taratasy tonga eo anivon’ny CFM amin’izao fotoana izao. Dinihinay izy ireo amin’izao, anaovana « investigation » sy « enquête », miaraka amin’ny OPJ ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena, mba tsy hihinana ambolony ny CFM rehefa manapa-kevitra. Zavatra roa ny manahirana. Voalohany dia misy antonta-taratasy avy lavitra dia lavitra, izahay anefa tsy manana fahafana ara-bola mikaroka izany any toy ny any Antsiranana, Morondava, Toliara, Brickaville… Faharoa, ny raharaha dia voafaritry ny lalana ho izay nitranga teo anelanelan’ny 2002 sy ny fifaranan’ny tetezamita ihany ary mifandraiky amin’ny zava-mitranga politika ihany. Marihiko fa tokony misy petra-bola avy amin’ny fanjakana ho fanonerana ireo niharam-boina nefa hotramin’izao dia mbola tsy misy izany ».