CFM - Madagasikara

Fihaonan’ny CFM sy ireo Ben’ny Tanàna lany teto Analamanga Le Pavé Antaninarenina (29.01.2020)

Fihaonan’ny CFM sy ireo Ben’ny Tanàna lany teto Analamanga

 

Ny Alarobia 29.01.2020 ny CFM, tarihin’ny Filohany MAKA Alhonse sy ireo mpikambana maromaro ao aminy dia nihaona tamin’ireo Ben’ny Tanana lany teto amin’ny Faritra Analamanga. Fotoana nampatsiahivana ny adidy miandry azy ireo sy ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka mba tsy ho rano raraka an-tany izany.

Tamin’ny kabariny ny Filohan’ny CFM dia nanoritra izy fa « Tokony haverina ny soatoavina hamelomantsika ny maha Malagasy antsika, hamerenantsika koa ny hasin’ny tanindrazantsika. Fa indrindra indrindra amin’izao fa 60 taona niverenany fahaleovantenantsika izao, ka mino izahay ato amin’ny CFM fa havitrika isika, hazoto isika amin’izany. Tokony samy hahay hanasoa ny faritra misy antsika tsirairay avy isika ». Raha nanohy ny lahateniny izy dia nanoritra fa « mitodika manokana aminareo ben’ny tanana  sy mpanolotsaina ny tanana izay  voafidy teo izahay, fa ny soa fianatra araka ny noteneny Andriamatoa Préfet teo, ka mahaiza maka ohatra amin’ny Kominina Andriambilany ». Marihina fa noraisin’ny CFM ho filamatra ho an’ny kominina rehetre manerana an’i Madagasikara ny fampiharana ny fihavanana sy ny demokrasia mivantana any amin’ny Kominina Andriambilany (Distrika Ambatolampy), izay tena azo tsapai-tanana tokoa.

Nanoritra ihany koa ny filoha MAKA Alphonse fa « taminy itsika nilatsaka dia samy nilokaloka fa hampandroso ny faritra misy antsika, nilokaloka fa hampanjaka ny fandriampahalemana, maro ireo fampielezan-kevitra nataontsika ary tsy misy ratsy fa tsara daholo izy ireny. Ataoko angamba fa fotoanany izao hahafahantsika maka traikefa mba ho to izy ireny, mba ho marina. Miandry antsika ny vahoaka sy ireo mpiray tanindrazana amintsika, dia ny androsoan’ny faritra misy antsika sy i Madagasikara manontolo. araka ny voalaza ao anatiny lalampanorenana dia miainga ifotony ny fampandrosoana. Mino aho fa isika ben’ny tanana, isika tompon’andraikitra ara-panjakana izay vory eto izao dia handray ny andraikitsika satria tokana ny fahavalo dia ny fahantrana. Ny disadisa ara-politika, ny disadisa ara-pinoana sy ara-poko sy ny sisa dia hadinoy fa iray itsika ».