CFM - Madagasikara

FANAMBARAN’NY FILOHAN’NY CFM AMIN’IZAO ANKATOKY NY FIFIDIANANA BEN’NY TANANA IZAO Talata, 26.11.2019

FANAMBARAN’NY FILOHAN’NY CFM AMIN’IZAO ANKATOKY NY FIFIDIANANA BEN’NY TANANA IZAO

Talata, 26.11.2019

 

Ry malagasy mpiray tanindrazana, amin’izao ankatokin’ny fifidianana Ben’ny Tanana sy filan-kevitry ny tanana izao dia hafaliana ho anay ato amin’ny CFM ny misaotra antsika mpiray tanin-drazana ndeha hanefa ny adidintsika, izay adidy masina, satria ireo olom-boafidy ireo no hitantana ny tananantsika. Koa miangavy antsika hanatanteraka antsakany sy andavany ny adidy masina amin’ny firenena

Eto moa dia tsy hainay ny tsy hisaotra antsika mpiray tanindrazana, ireo kandida sy ny mpomba azy, no ho ny fihetsika mahate-hidera nasehonareo nandritra ireny fotoana fampielezan-kevitra ireny. Fotoan-dehibre tokoa ireny, satria fotoana nampahalalana ny mpifidy sy ny mpiray tanindrazana amintsika ny asa ho tanterahintsika. Tsy ho kabary ambony vavahady fotsiny anefa, fa ho azo ho tanterahina tokoa ho fampandrosoana ny firenentsika. Tamim-pirahalahina sy tamin’ny fanajana ny soatoavina mahamalagasy dia ny fihavanana, no nanatanterahantsika iny fampielezan-kevitra iny. Na teo aza ny indro kely tamin’ny toerana sasantsasany, dia nilamina tokoa no nanantanterahantsika iny fampielezan-kevitra iny manerana ny Tanindrazantsika. Koa miangavy antsika, mbola hanohy izany fahendrena izany mandritra ny fifidianana Ben’ny Tanana sy manolo-tsaina izao. Zava-dehibe tokoa ho an’ny firenentsika io fifidianana io satria fifidianana manakaiky antsika, ka hotanterahintsika ankalalahana tanteraka. Ho sarotiny amin’ny safidintsika isika ka hiaro izany.

Masina ny tanindrazana