CFM - Madagasikara

Fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny Sekretera jeneraly ny Faritra Menabe Raheriarisata Feno Todisoa, teto amin’ny Lapan’ny Conseil du Fampihavanana Malagasy anio Talata, faha 7 septambra 2021.

Ny fifindra-monina any amin’ny Faritra Menabe no niompanan’ny fihaonana taminy roa tonta. Misedra olana, indrindra ny fahasimbana sy fahapotehana tokoa manko ny ala any amin’iny Faritra iny amin’izao fotoana izao, ka nahatonga ny tompon’andraikitra an’ny an-toerana mikatsaka ny vaha-olana rehetra hiarovana ny ala, indrindra fa ny faritra arovana « Menabe Atimena » izay potika nohon’ny fikapana ny hazo iniana atao, ka avadik’ireto mpifindra monina ireto ho arina fandrehitra. Atao fidirambola ho enti-miaina izany, eo ihany koa ny fandorana ny ala na ny « tavy », mba ambolena katsaka na voanjo avadika vola ihany koa.

Nitaraina tamin’ny Filohan’ny CFM noho izany tranga izany ny sekretera jeneralin’ny Faritra Menabe amin’ny maha Raiamandreny azy, ary indrindra amin’ny maha-olon’ny Fampihavanana azy. Tsy diso safidy ireto farany raha nanantona tety anivon’ny CFM, satria iara-mahalala fa efa manana traikefa amin’izany fandrindrana ny fifindra-monina izany raha ny ekipa tarihin’ny Filohan’ny CFM, Maka Alphonse. Nampahatsihivin’ny Filohan’ny CFM noho izany ny ezaka efa natao tamin’ny tranga fifindra-monina tany Ankarafantsinka izay nahomby tokoa, ka nampanantena ny fiara-miasa mba hiarovana ny Faritra Arovana « Menabe Atimena » ary indrindra ny hitandrovana ny fihavanana mba tsy hisy lonilony amin’ny tompony tany sy ny mpivahiny, satria « Malagasy Mihavana –Vahoaka Milamina –Firenena Mandroso » no tanjona.

Taorianan’ny dinika, dia hoy indrindra ny filohan’ny CFM raha nitafa tamin’ny mpanao gazety : « Tonga teto amin’ny CFM ry zareo avy amin’ny Faritra menabe, tarihin’ny Sekretera jeneraly ny faritra mba hijery manokana ny fomba ahafahan miaro ny Faritra Arovana « Antimena », izay tandindomin-doza ankehitriny. Tsahivina moa fa anisan’ny asa goavana (grand chantier) eto anivon’ny CFM ny mikasika ny fifindra-monina anatiny ( migration interne). Finfindra-monina anatiny izay vokatry ny kere indrindra indrindra, maro reo havantsika avy any Atsimo mandao ny toerana nonena, tsy dia noho ny sitrapony anefa fa noho ny olana ka tonga mandripaka ny ala. Efa nanana traikefa amin’ny fitadiavam-bahaolana ny CFM tamin’ny zava-nitranga tany Ankarafantsika, izay niarahana niasa tamin’ny departemanta ministerialy ny Ati-tany, Fitsarana, Filaminana anatiny, ny Tontolo iainana tamin’ny nikarakara fifindra-monina ho an’ireo mpiavy avy any Atsimo tonga tany. Ny tena olana dia ny mbola tsy fisian’ny politikam-pifindramonina anatiny eto amintsika (politique d’immigration interne), tsy ho roahina anefa ireo olona ireo fa ny traikefa tany Ankarafantsika no kasaina hampiharina any Menabe izay fantatsika fa mandroso tokoa amin’ny lafiny fizahantany ka tokony harovana ny harena voajanahary ao aminy. Atao ao anatin’ny fiaraha-midiniky ny samy malagasy izany hialana amin’ny fifandonana ».

Nandroso soso-kevitra koa ny avy ao amin’ny Faritra Menage : «  efa vonona izahay no hitady toerana hamindrana ireo mpifindra monina ireo mba hiala ao anatin’ny faritra arovana. Mba hialana amin’ny fifandonana dia iantsoana ny fiarahamiasa amin’ny CFM sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izany. Izany dia tafiditra indrindra amin’ny veliranon’ny Filohampirenena amin’ny fiarovana ny ala. Amin’ny « Forum de l’agriculture durable izao atao any Menabe, ny 23, 24, 25 septambra ho avy izao dia fotoana ahafahana ihany koa mirakaro-bahaolona momba ity olan’ny faritra arovana ity, mba ho voatrandraka araka ny tokony ho izy ny harena voajanahary. Marihina fa fianakaviana eo amin’ny 1000 isa eo ho eo no mivelona ao amin’ity Faritra arovana ity ka raha afaka 10 taona ka tsy misy ny fandraisana andraikitra dia ho ringana tantera i « Antimena Menabe ». Efa misy koa fiaraha-miasa amin’ny OIM (Organisation internationale pour les migrations) efa ho 2 taona izao, efa niara-nanao fidinana ifotony izahay nijerena ny olona irosoana amin’ny vahaolana. Ankoatr’io, ny dina be momba ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny, izay vao napetraka vao tsy ela akory tao amin’ny Faritry Menabe, dia anisan’ny hanampy anay amin’ny ady amin’ny fiarovana ny tontolo iainana toy izao ».

Mikasika ny ady atao amin’ny fahasimban’ny faritra arovana noho ny fifindra-monina anatiny ity, dia nanoritra ny filohan’ny CFM fa « araka ny efa voalazanay matetika, dia misy fikambanana mpiantsehatra maro (réseau organisé) izay mitatitra ny olona avy any Atsimo, manararaotra ny fahosany ireto farany ka mampamboly azy ireo ao amin’ny faritra arovana ary manangona ny vokatr’ireo olona ireo. Noho izany, misy olona ho very tombotsoa ao anatin’izany ady izany ka tsy mora ny ezaka atao ».