CFM - Madagasikara

Fanolorana fanampiana ho an’ireo Mpiray Tanindrazana

Ianjadian’ny KERE any Atsimo, teny amin’ny BNGRC, ny Alatsinaina faha-9 Novambra 2020

Taorian’ny ANTSO AVO ho amin’ny Firaisankinam-pirenena izay nataon’ireo Mpikambana ao amin’ny « Conseil du Fampihavanana Malagasy », ny 30 oktobra 2020 lasa teo, izay mahakasika ny haintany vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, mianjady amin’ireo mpiray Tanindrazana any atsimo ka niteraka ny « Kere », dia tonga nidodo nitondra ny anjara birikiny ireo Mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra, ireo Mpikambana ao amin’ny CFM, sy ireo mpiasa-maharitra ao amin’ny Sekretera Mpanantanteraka izay notarihin’ny Filoha Maka Alphonse, omaly 9 Novambra 2020, mba ho famaliana an’io antso avo io. Nanao izany fihetsika izany izy ireo noho ny fahatsapany fa manana adidy sy andraikitra manoloana izao voina mahazo ny havana any atsimo izao.

Araka izany dia tonga teny amin’ny Birao misahana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC) nanolotra ny vokatry ny tsipaipaika nataony mba ho vonjy rano vaky amin’izao « voin-kava mahatratra » izao. Mitentina dimy arivo sy enina tapitrisa Ariary (Ar. 6.005.000) no voaangona ka natolotra tamin’io fotoana io. Nandray izany teny an-toerana ny Tale Jeneraly, dia ny Jeneraly Elack Olivier, izay tompon’andraikitra mivantana misahana ny fintsinjarana ny fanampiana toy itony.

Nisaotra ary nankahery ny Tale Jeneraly sy ny mpiara-miasa aminy, ny Filoha Maka Alphonse, mba tsy hikely soroka fa hanantanteraka am-pitiavana ny adidy masina miandry azy ireo, dia ny famonjena sy ny fanarenana ny Firenena iharan’ny loza voa-janahary toa izao.  

Ho setrin’izany dia nampanantena ny Tale Jeneralin’ny BNGRC fa ho tonga tokoa any amin’ireo mponina, traboina tsy misy anombinana ny fanampiana rehetra voaray. Izany no hatao dia mba ho fitandrovana sy ho fanajana ny « Soatovina malagasy » mandala ny Firaisankina sy ny Fihavanana.

Farany, araka ny lamina nifanarahan’ny roa tonta dia tapaka fa hividianana sakafo io vola io. Ary nanome toky ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, fa hanaovany tatitra amin’ny mpanolotra ny nampiasana ny vola fanomezana mba hisian’ny mangarahara.