CONSEIL DU FAMPIHAVANANA MALAGASY
FIARAHABANA
Taorinan’ny fanambarana ofisialy ny valim-pifidianana Solombavambahoaka izay navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, dia ho tafapetraka indray ny Antenimieram-pirenena. Koa, etoana no isaorana antsika mianakavy : ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka, ireo kandidà sy ny mpanohana azy, ary ireo rehetra nikarakara tamin’ny fanatontosana izany. Samy nanao ny adidiny sy nitandro toy ny anakandriamaso ary nametraka avo tamin’ny toerany ny Soatoavina malagasy dia ny Fihavanana nitondra Fitoniana ka nahatontosana antsakany sy andavany ny fifidianana.
Miarahaba sy mirary soa anareo Solombavambahoaka miisa 151 voafidin’ny vahoaka. Hahaleo hahalasana anie ianareo, hahatanteraka antsakany sy andavany ny asa hanirahan’ny lalàna anareo. Voafidy tao anatin’ny maro ianareo nohon’ny faharesen-dahatry ny vahoaka tamin’ny toky nataonareo, hijoro sy hiaro ny tombontsoa iombonana hositrahan’ny vahoaka tsivakivolo. Manan-danja loatra izany safidim-bahoaka izany, fahendren’ny razantsika rahateo ny hoe : « Ny feon’ny vahoaka dia feon’Andriamanitra ». Koa inoana fa tsy handraraka ilo mby an-doha ianareo fa hitana ny teny nomena ka hijoro sy haneho fahavononana hatrany ho mendrika ny asa anirahana anareo sy andrasana aminareo.
Miandrandra anareo ny vahoaka Malagasy ary manantena fa hisava ny raho-mitataon’ny fahantrana noho ianareo olom-banona sy feno fahavonona ary sahy hijoro handray andraikitra.
Koa mankahery anareo hanoratra tantara vaovao ho an’i Madagasikara. Antenaina fa hiady hevitra amim-panajana, hiasa anaty fahamarinana sy fitiavan-tanindrazana ho soa ho an’ny rehetra mba ho « MALAGASY MIHAVANA, VAHOAKA MILAMINA, FIRENENA MANDROSO I MADAGASIKARANTSIKA ».
Antananarivo, faha 05 Jolay 2019
Ny Filoha






Visit Today : 33
This Month : 2908
Total Visit : 175765
Who's Online : 3