FAMARANANA NY FOTOAM-PIVORIANA ARA-POTOAN’NY CFM
Nifarana ny talata 02 jolay 2019, ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ny CFM ho an’ity taona ity. Ho famintinana ny asa nandritra izany dia notsindrian’ny filoha ny CFM, MAKA Alphonse, teo imasony mpanao gazety tonga nanatrika ny lanonam-pamaranana fa « araka ny voalazan’ny lalana, mivory isaky ny 3 volana ny CFM, ka 1 volana ny fotoam-pivoriana, ary fotoam-pamaranana androany. Anisan’ny nivoriana ankoatran’ireo tatitra natao isaky ny faritany sy ny faritra, ny fijerena ireo mety ho trangana olana isaky ny faritra. Tao anatin’izany zahay no nijery koa ny fomba mety azo fametrahana ny fihavanana isaky ny faritra. Eo ny ohabolana izay harena ananantsika, eo ihany koa ireo dina izay anisan’ny harena ananantsika koa hametrahana ny findriampahalemana isam-paritra ».
Mahakasika ny dina indrindra, raha nanohy ny fanazavany ny filohan’ity rafim-panjakana ity dia nanoritra fa « maro isan-karazany ny dina, fa hohatsaraina izy ireo nefa tsy maintsy fantarina sy fakafakaina tsara alohan’ny hanatsarana azy. Nandraisana fanapahan-kevitra moa ny momba ireo ».
Ity fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ity koa ny fotoana nandinihana ny momba ireo antotan-taratasy mikasika ny fanarenana (réparation). « Antontan-taratasy maromaro mikasika ny fanarenana no nodinihina, mangataka fijerena ny fahavoazany ireo olona mihevitra fa tratrin’ny antsojay tamin’ny resaka adilahy politika. Maro izy ireo misy sivily misy miaramila, maro amin’izy ireo no mbola tsy nandraisana fanapahankevitra satria mbola mila fanadihadiana. Eto aminay moa dia mazava tsara fa izay fanapahankevitra raisina eto dia ho amin’ny fampihavanam-pirenena, na mikasika ny réparation na ny indemnisation (fanonerana) », hoy ihany ny filoha MAKA Alphonse.
Mahakasika ny famotsoran-keloka dia nanoritra ny filohan’ny CFM fa « antotantaratasy maromaro, eo amin’ny 30 mahery, no mbola kirakiraina eny anivon’ny « Komisionina manokana momba ny famotsorankeloka » na ny « commission spéciale indépendante pour l’amnistie » any anivon’ny Fitsarana Avo, miandry ny « avis juridique » avy any izahay vao hanapa-kevitra mikasika ireo ».
Nofintinin’ny filoha MAKA Alphonse koa fa « ankoatra ireo dia misy ireo zava-dehibe eto amin’ny firenena mila fanovana, ka nanapa-kevitra izahay fa hanao tolo-kevitra (recommandations) omena ny filohana andrim-panjakana rehetra toy ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, primatiora, ny Antenimieran-doholona, ny Antenimieram-pirenena. Afaka raisina ohatra amin’izany ny momba ny rafim-pampianarana izay mila fanovana tokoa, eo koa ny fitsinjaram-pahefana tena izy na ny décentralisation effective. Nodinihina ny momba ny fahefan’ny fokontany sy ny firafiny satria ny fampandrosoana dia miainga avy eny ifotony. Anisan’ny nojerena koa ny fomba fifidianana Ben’ny Tanana, zay saika mitarika olana ny fomba fifidianana azy ka nojerena ny fanatsarana azy ary anisan’ny nanaovanay tolo-kevitra izay halefa amin’ny manampahefana isan-tsokajiny atsy ho atsy. Eo koa moa ny momba ny tsy fandriampahalemana, nojerena ny hoe inona no anjara biriky ny CFM mikasika io ».
Fa nandritra ny kabary famaranana no nanoritan’ity mpitarika andrim-panjakana ity fa “miroso ny fananganana ny fampihavanana Malagasy ho VAKOKA ara-kolontsaina eran-tany. Miroso ihany koa ny fanaovana ny “Manuel de Procédure” – CFM. Mitohy ny asa fampihavanana any amin’ny Faritra tsirairay, singanina ny fiomanana ho amin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolon-tsaina”. Ary farany dia tombanana ho amin’ny 02 Oktobra ny fotoam-pivoriana manaraka.







Visit Today : 14
This Month : 2889
Total Visit : 175746
Who's Online : 1