CFM - Madagasikara

ANTSO HO AMIN’NY FANAJANA NY SOATOAVINA MALAGASY

HISIAN’NY FITONIANA

       

 

 

 

« CONSEIL DU FAMPIHAVANANA MALAGASY »

                                 CFM

 

ANTSO HO AMIN’NY FANAJANA NY SOATOAVINA MALAGASY

HISIAN’NY FITONIANA

  • Manoloana ny olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy, na ara-tsosialy na ara-toe-karena ary manampy trotraka an’izany ny lafiny ara-politika ka miteraka fahasahiranana sy tebiteby.

 

  • Potika ny Soatoavina satria: teny mandratra, tsy tokony ho renesin’ny sofina akory, feo sy endrika feno fahavinirana, izany no iainana ankehitriny.

 

  • Toa tsy afaka mifampiresaka mivantana intsony raha tsy amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera samihafa ! Ny serasera izay tokony miabo mba hampiombona, kanefa dia lasa fitaovana mampisy fisaraham-bazana ary raha mitohy dia hiteraka herisetra.

Koa manoloana ireo zava-misy ankehitriny ireo.

DIA :

  • Mampahatsiahy ny « Conseil du Fampihavanana Malagasy», ny Hasin’ny Fahamarinana sy ny Fihavanana maha iray antsika Malagasy.
  • Manao ANTSO AVO ho amin’ny TENA FIHAVANANA ka HIFEHY TENY SY HIFEHY TENA ary hitandro hatrany ny fifanajana.

 

NOHO IZANY :

  • Mandray ny andraikitra manandrify azy, ho tohin’izao Antso izao ny CFM.

Efa nitera-doza loatra teto amintsika ny fisaraham-bazana izay mitarika mankany amin’ny fahantrana lalina koa handeha hosorohana. Izay mampiombona toy ny : fahamarinana, fifanajana, fifampihainoana, firaisankina sy fihavanana no andao hiaraha-miatrika.

« Malagasy mihavana, Vahoaka milamina, Firenena mandroso ».

Ny Birao Maharitra