CFM - Madagasikara

Lanonam-panokafana ny fivoriambe fahatelo (Troisième Assemblée générale) ny Mpikambana ao amin’ny CFM (21.09.2021), notarihin’ny Filohany MAKA Alphonse.

Tamin’ny  kabarim-panokafana  dia  nanoritra  ny  filoha  fa  « ity  fivoriana  ity  dia  handinihana lohahevitra  maro  samihafa  ary  mety  hisy  koa  fandraisana  fanapahan-kevitra  mikasika  ireo  lohahevitra  ireo  any  ampamaranana.  Ankoatran’ireo  antontan-taratasy  momba  ny  famotsoran-keloka  (dossiers d’amnistie) sy  ny  fanonerana  arakasa  (dossiers de réparation de carrière)  dia  miompana  indrindra  amin’ny  fametrahana  paikady  isorohana  izay  mety  ho  disadisa  hitranga  amin’ny  firenentsika,  satria  efa  manakaiky  ny  fotoam-pifidianana,  indrindra  ny  filoham-pirenena  amin’ny  taona  2023. Hiezaka  hitondra  vahaolana  ny  CFM ;  fa  tsy  mivaona  amin’ny  foto-kevitry  ny  lalana  2016-037 ny  taona  2017  momba  ny  fampihavanam-pirenena.  Mbola  ho  ela  ihany  ny taona  2023 saingy  tsy  maintsy  sorohina  dieny  izao  izany».

« Hikarakara  « team building »  izahay  mpikambana  ato  amin’ny  CFM  mandritra  ny  telo  andro  handinihana  ny  lalan-kizorana  taorian’ireo  fihaonana  tamin’ireo  hery  velona  rehetra  eto  amin’ny  firenena :  ny  mpanao  politika eo  amin’ny  fitondrana  sy  ny  mpanohitra,  ny  fiarahamonim-pirenena, ny raiamandreny ara-drazana, ny raiamandreny amapnahy. Maro  ny  soso-kevitra avy amin’ ireo  antokon’olona  ireo  ka  mila  dinihina.  Ny  fidinana  ifotony  nataon’ny  mpikambana  ato  amin’ny   CFM  isam-paritra  koa  dia  manampy  amin’ny  fitadiavambahaolana ».

Taorian’izay  dia  namintina  ny  dingana  vitan’ny  CFM  nanomboka  tamin’ny  fiandohan’ny  taona  ny  filohany :

  • Fanambarana miantso  fitoniana  momba  ny  raharaha  fifofoana  ny  ain’ny  Filoham-pirenena
  • Fametrahana ny  Kianja  maitso  sy  ny  SIF na  ny  sehatra  ifampiresahana  (Espace de dialogue)  andravonana  ny  disadisam-piarahamonina  eny  anivon’ny  Kominina  sy  
  • Ny fampihavanana  ny  foko  Bara  sy  Antandroy  tany  amin’ny  faritra  
  • Momba ny  famontsoran-keloka  dia  nisy  lanonana  ofisialy  natao  isam-paritra,  araka  ny fangatahan’ireo  voakasika,  nanolorana  ny  taratasy  tamin’izy    Ary  marihina  fa  ny fanapahan-kevitry  ny  CFM (décision d’amnistie)  dia  mihantra  avy  hatrany  ary  tsy  azo  anaovana  fampakarana.
  • Momba ny  fanonerana  arakasa  (reparation  de  carrière)  dia  hisy  dinika  miaraka  amin’ny  minisiteran’ny  fiarovana  mikasika  an’ireo  miaramila  nahazo  
  • Momba ny  fanonerana ara-bola  (indemnisation)  dia  miandry  ny  didy  fampiharana  (décret d’application)  isika ;  na  izany  aza  dia  efa  nisy  ny  dinika  niarahan’ny  teknisianin’ny  CFM  sy  ireo  avy  amin’ny  ministeran’ny  Fitsarana  sy  ny  Fitantanambola  natao  tamin’ny  herinandro  teo  ho  famolavolana  io  didy io  (projet de décret).
  • Ny fifindramonina  anatiny  (migration interne)  koa  dia  anisan’ny  nitondran’ny  CFM  anjara  birikiny  koa  satria  mitarika  olana  amin’ny  ara-tsosialy,  ara  tontoloiainana  ary  mampifandrafy  ny  samy  malagasy .

Teo  am-pamaranana  dia  nampatsiahy  ny  filohan’ny  CFM  fa  androany  ny  andro  iraisam-pirenena  ho  an’ny  fandriampahalemana  (journée  internationale  de  la  paix)  ka  irariana  ny  hisian’ny  fandriampahalemana  eto  amintsika  satria  toa  mirongatra  ny  tsy  fandriampahalemana,  raha  tsy  hitanisa  afa  tsy  ny  fanakanan-dalana  miverina  indray  eny  amin’ny  lalam-pirenena,  ny  asan-dahalo  toy  ny  nitranga  tany  Befotaka  roa  andro  lasa  izay  ka  ampolony  ny  olona  maty.