CFM - Madagasikara

FIVORIAMBE VOALOHAN’NY CFM NY TAONA 2020

Ny lanonam-panokafana dia natao androany 02.03.2020 tamin’ny 10 ora tao amin’ny siège du CFM Ampefiloha, ary notarihin’ny filohany MAKA Alphonse.

Nanoritra ny filoha MAKA Alphonse fa, « amin’ity taona 2020 dia manana vinan’asa 6 lehibe ny CFM :

  • Fanatsarana ny fampiharana ny DINAa eto amintsika, ny DINA izay ao anatin’ny soatoavina malagasy ary anisany mahomby amin’ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka amin’ny fitantanana sy ny fikajiana ny resaka ny fandriampahalemana (cadrage du DINa), iarahana miasa amin’ny sampan-draharaham-panjakana voakasik’izany, toy ny minisiteran’ny Atitany, ny an’ny Fitsarana, ny Mpitandro ny Filaminana. Andraikitray CFM ny manatsara ny fampiharana ny DINA, fiarahamiasa amin’ny samy malagasy mba hitera-bokatsoa ho an’ny firenena.
  • Fanohizana ny famahana ny olana ateraky ny fifindramonina anatiny (migration interne). Tsy voafehy ny fivezivezen’ny mponina (flux migratoire), satria isika tsy manana politika manokana mikasika ny fifindramonina. Izy io dia miteraka lonilony sy fisavoritahan’ny fiarahamonina amin’ny samy Malagasy, satria ny mpifindra monina miteraka fanelingelenana ny tompontany. Anisany toerana nosafidina ao anatin’izany ny Distrikan’Ambatoboeny, ao Ankarafantsika. Efa nivory niaraka tamin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana any an-toerana sy ny mponina any izahay ary mbola hotohizana amin’ity taona ity. Betsaka ny toerana voakasik’io olana io (Menabe, Sava, Sofia, Diana…). Mety hiteraka olana amin’ny samy malagasy.
  • Fanohizana ny fikarohana sy fanatanterahana ny fampihavanana ara-tantara, izay mikasika indrindra ny taonjato faha-19. Nisy ireo fifanafihana teo amin’ny samy fanjakana nisy tamin’izany fotoana izany. Vita ny ady, fa ny akony mbola mitoetra. Misy toerana tsy azo itsahin’izao na izao. Ohatra velona sy anisany anaovanay fanadihadiana ny ao Ifandana, Distrikan’Ambalavao nisian’ny fifanafihana teo amin’ny fanjakana roa (Merina sy Betsileo, ka misy faritra tsy azo itsahin’ny foko avy nifanandrina). Tsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana iainantsika intsony.
  • Fanohizana sy fanitarana ny fametrahana ny SIF na Sehatra ifampiresahana (plate-forme de concertation ou plate-forme de dialogue). Mahita izahay ato amin’ny CFM fa ny fifampiresahana ihany no mahavaha olana, na politika na sosialy. Izy io dia ivondronan’ny herivelona rehetra manerana ny nosy (fikambanana politika, société civile, mpitondra fivavahana, mpitondra nenti-paharazana…). Ezahinay apetraka isam-paritra ary mety ho tonga isaky ny Distrika ny SIF. Efa nisy ny napetraka tany Fianarantsoa, ary nazoto dia nazoto ny mpiray tanindrazana nandray anjara. Na resaka ady tany io, na resaka insécurité, na olana tsotra tsy mila entina any amin’ny Fitsarana fa fifampiresahana dia mahavaha ny olana.
  • Ady tany, anisany mamotika fiarahamonina malagasy. Mijery manokana ny anjara birikiny ny CFM ho famahana ity olana ity.
  • Mikasika ireo requêtes na demandes d’amnistie, demandes de réparation, demandes d’indemnisation, izay tonga eto aminay (demandes miisa 1300 eo ho eo no tonga eto aminay), avy amin’ny faritany rehetra manerana ny Madagasikara, misy sivily ary misy ny miaramila. Hodinihinay lalina ary handraisana fanapaha-kevitra amin’ity taona ity. Tsy hoe milalao asa fa mitandrina dia mitandrina ny CFM. Mila fandinihana lalina, sao mihinana am-bolony ny CFM. Sao ny fanapahan-kevitry ny CFM indray no hitarika lonilony amin’ny samy Malagasy. Efa nidina ifotony izahay nanao ny fanadihadiana ary mbola mitohy hatramin’izao.

Nampahatsiahy moa ny filoha ny CFM fa ny tena andraikitra lehibe ny CFM dia ny fametrahana fitoniana, mba tsy hisian’ny krizy politika miverimberina intsony. Ary miantso ny mpanao politika sy ny olona tsotra mba hitandro ny soa iombonana ary hanaja izany ka ho mora ny fikatsahana ny fitoniana.

Marihina fa tsy resa-bola fotsiny ny resaka fanonerana sy ny onitra (indemnisation, réparation), fa ny tanjona dia ny hisian’ny fampihavanan’ny samy malagasy. Misy OPJ avy amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena miara-miasa aminay midina ifotony manao fanadihadiana. Ny resaka ara-bola no dingana farany. Nanao volavolana didim-panjakanaizahay efa nomenay ny Fitsarana, satria izahay tsy manana fahefana hamoaka didy, mba ho fananganana ny « fonds national de solidarité », handoavana ny onitra sy ny fanonerana.

Soritana fa tsy anjaran’ny CFM ny mamerina ny gradin’ireo tara grady na nampidinina grady noho ny  krizy politika nifandimby, na sivily io na miaramila fa any amin’ny minisitera mpiahy. Fa anjaranay kosa ny manaporofo fa misy resaka politika ny fahataran’ny gradin’olona iray (faits liés aux événements politiques entre 2002 jusqu’à la fin de la Transition).