CFM - Madagasikara

FANAMBARANA NATAONY FILOHANY CFM NY 26/01/2022

FANAMBARAN’NY FILOHAN’NY CFM MANOLOANA NY VOINA NATERAKY NY RIVO-DOZA ANA

Manoloana izao voina mihatra amin’ny firenentsika izao, izay vokatry ny hetraketraky ny natiora, ary eo ko any valan’aretina maro samihafa, misy ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy, ao koa ireo naratra sy ireo mitondra takaitra. Koa miondrika am-panajana eo amin’ireo namoy ny ainy ary mirary fahasalamana haingana ho an’ireo naratra. Eto koa izahay dia mitondra ny fampahaherezana ho an’ireo rehetra niharamboina.

Koa fotoana izao hanehoantsika Malagasy ny firaisankina sy ny fihavanana. Fotoana koa izao andraisantsika andraikitra ho fanavotana ny mpiray tanindrazana fa tsy fotoanan’ny fitsikerana, ka ijerentsika ny soa iombonana. Voinkava-mahatratra ary aoka mba tsy hisy hanararaotra izao zava-mitranga eto amin’ny firenentsika izao fa mba samy hifampitsinjo isika samy Malagasy ka ho toy ny trano Atsimo sy Avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana.

Koa manainga antsika mpiray tanindrazana rehetra hifampitsinjo ka hanao tolo-tanana, hijery ireo havantsika tra-boina amin’izao fotoana izao. Manainga antsika mba samy hitondra izay tsirambin’ny tanany ho famonjena ny mpiray tanindrazana.

Taorian’ny Fanambarana dia nanoritra ny Filohan’ny CFM fa efa nandray ny andraikiny ny Fitondrampanjakana ary mankahery ireo mpiantsehatra rehetra toy ny eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalambahoaka, ny BNGRC, ministeran’ny Asa vaventy amin’ny fanarenana ny lalana, ireo mpitandro ny Filaminana, sy ireo sehatra maro samihafa.