CFM - Madagasikara

FIVORIAMBEN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY CFM – TELO VOLANA FAHA-3 2022

KABARY FANOKAFANA

FIVORIAMBEN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY CFM – TELO VOLANA FAHA-3 2022

Lanonam-panokafana notarihin’ny Filohan’ny CFM, MAKA Alphonse, ny Alatsinainy 05 septambra 2022 tamin’ny 10ora.

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Faly miarahaba antsika mpikambana ny tenako sy izahay ato @ B.P tonga eto an-drenivohitra hanatrika ny fotoam-pivoriana ara-potoana faha-3 @ ity taona 2022 ity.

Isaorana Andriamanitra Andriananahary nitantana ny diantsika ka tsy tafin- tohina an-dalana fa tody soa aman-tsara ato @ Lapan’ny Fihavanana. Salama aby isika. Mino aho fa feno fahavononana na ara-batana na ara-tsaina hiatrika izao fivoriambe izao isika rehetra. Telo volana izay no nisarahana teto ka nidinantsika tany @ Faritra manerana ny Nosy nanatanterahana ny asa Fampihavanana nankinina tamintsika.

Be no vita fa, mbola betsaka koa ireo asa miandry antsika. Singanina manokana eto ny olana ara-piaraha-monina isan-karazany sy ny fifandirana ara-politika….izay miteraka disadisa tsy tambo isaina. Manampy trotraka an’izany koa ireo olana maneran-tany, izay misy akony ratsy aty Madagasikara.

Eto izahay ato @ CFM dia tsy mitsahatra ny miantso sy miangavy antsika mpiray tanindrazana hahay hanindry fo sy ho tony fa mihamaro ireo tranga-javatra tato ho ato miteraka fisaraham-bazana sy lonilony. Maro koa ireo fihetsika na fiantsiana mitarika fankahalàna. Misy mihitsy aza ny aina nafoy. Ny tendrom-po hono tsy mba namana, hoy ny fitenin-drazantsika. Koa, fotoana izao tokony hitodihana ny lasa ka hakàna lesona t@ireo zava-nitranga teto @ firenentsika, izay tsy nitera-boka-tsoa akory. Na t@ lafiny toe-karena, na sosialy ary indrindra indrindra @ resaka politika. Nisy kosa anefa ireo nitondra vokatra tsara.

Mandalo fotoan-tsarotra ny Firenentsika @ izao fotoana izao tahaka ny firenena maneran-tany. Fotoana izao tokony hisian’ny firaisan-kina, fifampihainoana ary fanetren-tena ho an’ny zanaky ny Nosy tsy an-kanavaka. Fotoana tokony hampanjantsika ny tena fitiavan-tanindrazana sy iainana ny soatoavina mampiavaka antsika @ firenena hafa dia ny : Fihavanana marina.

Tsy atao kabary na haingon-teny fotsiny ny Fihavanana fa, iainana mihitsy.

Ampy izay ny rà latsaka sy ny aina nafoy teto @ Firenena. Aoka isika hitodika @ ho avy tsaratsara kokoa mba ho lovasoa ho an’ny taranaka. Noho izany dia, mbola mamerimberina izahay ato @ CFM ary miombon-kevitra @ ireo Ray aman-dreny ara-panahy ao @ FFKM, izay manao antso @ mpiray tanindrazana mba « hifanantona sy hifampiresaka mba hitadiavana vahaolana maharitra @ zava-mitranga eto @ Firenena ».

Tsara ny manamarika fa efa notapahinay teto anivon’ny fivoriamben’ny CFM t@ taona 2019 ho an’isan’ireo lahasa lehibe 5 (Grands chantiers) ny fananganana ny Sehatra Ifampiresahana na SIF (Espace de dialogue et de concertation) sy ny Kianja Maitso. Efa betsaka izireo no efa tafatsangana any @ Faritra na Distrika, Kaominina. Resy lahatra ireo mpiray tanindrazana nifampidinika taminay fa fitaovana mahomby entina hiadiana sy hiarovana @ disadisa sy ny lonilony ny Fifampiresahana. Izany rahateo moa ny anjara asa nomena ny CFM.

Exposé des motifs ny Loi 2016-037 mikasika ny Fampihavanam-pirenena:

« Le but était d’institutionnaliser un processus capable de promouvoir et de renforcer la culture de dialogue, la tolérance, la solidarité et l’équité pour la paix durable ainsi que l’exploitation rationnelle des richesses nationales ».

Mino aho fa tsy ho raraka an-tany ireo ezaka izay nataontsika sy ireo antso samihafa avy na @ireo olom-pirenena tsotra na @ireo Ray aman-dreny ara-panahy sy ara-drazana na ireo mpiara-miombon’antoka amintsika aza. Ny fisian’ny fitoniana sy ny filaminana ihany no antoky ny hisian’ny asa fampandrosoana marina.

Trafon-kena omena ny mahery ka am-bava homana, am-po mieritreritra. Tsy miandry ny trano ho may isika, vao havoaka ny entana, fa aleo re misoroka toy izay mitsabo.

Mba ho tanteraka ny teny filamatry ny CFM manao hoe : “Malagasy mihavana – Vahoaka milamina – Firenena mandroso”.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.