CFM - Madagasikara

ATRIKASA

Natao tao amin’ny Lapan’ny Fampihavanana, Ampefiloha ny talata 30 aogositra 2022

Ho famondronana ireo traikefa isaky ny Kaominina ato amin’ny Faritra Analamanga, ho fanatsarana ny fametrahana sy fiainana ny « KIANJA MAITSO », izay sehatra ifampiresahana eny ifotony.

Nanatrika ny fotoam-panokafana ny Filohan’ny CFM, MAKA Alphonse sy ireo mpikambana sasantsasany. Nandray anjara tamin’ny Atrikasa ny Solombavambahoakan’ny Soavinandrina Itasy, RAZAIHARIMALALA Fhy, ireo Ben’ny Tanàna 16 efa misitraka na andalam-pisitrahana ny fijoroan’ny « KIANJA MAITSO », miampy ireo Tale jeneralin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny an’ny Atitany. Teo ihany koa ny teknisian’ny minisitera voalaza etsy aloha sy ny an’ny ministeran’ny mponina ary ny an’ny CFM.

Ireo mpikambana amin’ny CFM anatin’ny Faritra Analamanga no mpanatontosa ny Atrikasa ary ny Komina Andriambilany no fankatahaka amin’ny fametrahana ny « KIANJA MAITSO ».

Hoy indrindra ny Filoha lefitry CFM eto amin’ny Faritra Analamanga, RAMAMIMAMPIONINA Gérard raha namintina ny votoaton’ny fotoana :