CFM - Madagasikara

Fihaonana CFM sy ireo Vondron’ny Mpanohitra (22 Jiona 2022)

Nihaona tao amin’ny Lapan’ny Fampihavanana Ampefiloha ny solotenan’ny Komity Teknika Iombonanana ho Fanomanana ny Fikaonandohampirenena avy amin’ny Vondron’ny Mpanohitra andaniny, sy ny Filohan’ny CFM otronin’ireo mpiara-miasa aminy ankilany.

Teo ampamaranana ny Fihaonana ary teo anoloan’ny mpanao gazety nanatrika dia nanoritra ny Filohan’ny CFM : “Dinika ara-pirahalahiana no nisy teto. Ny lalan-tsaina nitondrana azy dia ny fandalana ny fitoniana izay tsy azo raha tsy ao anaty fifampiresahana. Anteriko etoana ny teny filamatry ny CFM izay manoritra fa amin’ny alalan’ny dinika ihany no ahafahana misoroka ny disadisa, ialana amin’ny krizy miverimberina ary ahatongavana amin’ny fifidianana madio. Tonga eto moa ireto solotenan’ny Vondron’ny Mpanohitra ireto manolotra volavola-kevitra ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Fa ny anay eto amin’ny CFM moa dia tsy maintsy eo anatrehan’ny Fivoriamben’ny Mpikambana no andraisana fanapahan-kevitra. ʺ

Raha nanazava kosa ny mpitondra tenin’ny Vondron’ny Mpanohitra dia nilaza fa ʺ Tsiri-kevitra teraka herintaona lasa izao fanomanana ny fikaonandohampirenena izao. Efa maro ny dingana natao sy ny fihaonana tamin’ny Andrimpanjakana sy ny vondrona iraisam-pirenene: FFKM, HCDDED, CFM, CNIDH atsy ho atsy, Vondrona Eoropeana, Vondrona Afrikana, Etazonia, Korea Atsimo, Soisa ary aorian’ny fetim-pirenena ny amin’ny Firenena mikambana, ny Britanika…. Ny anton’ny fikaonandoham-pirenena dia ialana amin’ny fanomanam-pifidianana nisy fikorontanana tamin’ny lasa teo. Sorohana ny mety ho olana eo amin’ny lalam-pifidianana, ny tena fahaleovantenan’ny CENI, ny momba ny fahafahan’ireo mpila ravinahitra mifidy. Ny tanjona dia lalàna tsara rafitra ; hisian’ny fifidianana tena mangarahara sy eken’ny rehetra. Ka eto am-pamaranana dia manolotra antota-kevitra momba ny fanomanana ny fokaonandoham-pirenena ny CFM izahay. ʺ