CFM - Madagasikara

Brickaville (Asabotsy 18 jona 2022)

Fampihavanana ara-pomba Malagasy eo amin’ny mpomba ny Filoha Ravalomanana andaniny sy ny mpomba ny filoha Ratsiraka ankilany, izay notarihin’ny CFM.

Ny delegasiona avy amin’ny CFM moa dia notarihin’ny Filohany MAKA Alphonse, notronon’ireo mpikambana maromaro tao amin’ity Andrimpanjakana ity, indrindra ireo mpikambana avy amin’ny Faritanin’ny Toamasina.

Ramatoa Yannick Ratsiraka no nitarika ny delegasiona Arema, notronin’ny mpikambana Arema Tsaranazy Jean Emile sy ireo mpikambana maro hafa. Ny mpomba an’Andriamatoa Ravalomanana kosa dia notarihin’ny Député ny boriboritany Faha-4 eto Antananarivo, Ramboasalama. 

Tonga nanome voninahitra ny lanonana

  • ny Zana-drazana tarihin’ireo Tangalamena nanana finiavana hanao izao Fampihavanana izao.
  • Ny solontenan’ny Fitondram-panjakana voatendry sy voafidy eto an-toerana ahitana ny Solombavambahoaka ny Brickaville, Préfet, Sous-Préfet ary Ben’ny Tanàna.
  • Ny Ray aman-dreny ara-drazana sy ara-panahy.
  • Ny solontenan’ny FID, izay mivoy ny fanamafisana ny filaminana (consolidation de la paix)

Omby telo no novonoina nandritra ny lanonana, ary nifandray Tanana ampahibemaso ireo mpifandrafy ara-politika teoaloha. Tsiahivina fa ny disadisa nisy teo amin’ny andaniny roa dia noho ny krizy politika ny taona 2002.

Hoy indrindra ny Filoha ny CFM nandritra ny kabariny, “Ny anton’izao fivoriam-be izao dia iaraha-mahalala fa teto Brickaville dia nitrangana disadisa, lonilony, fifandonana teo amin’ny samy mpiray tanindrazana. Nisy ireo potika fananana, namoy ny aina, teo ireo nogadraina tsy misy antony mazava. Izany dia vokatry ny fisaraham-bazana sy tsy fitovian-kevitra ara-politika ka nanapotika ny Soatoavina Malagasy indrindra fa ny Fihavanana sy ny Fifankatiavana. Niteraka ratra lalina teo amin’ny fiaraha-monina izany rehetra izany.

Na dia izany aza anefa dia tsy maintsy mijery sy mitsinjo ny ho avin’ny taranaka sy Firenena Malagasy isika. Dia ny hisian’ny filaminana sy fitoniana mba ho antoky ny fampandrosoana. Na mifanaikitra aza ny lela sy ny nify, mahay mifanaraka ihany.

             Koa, izao Fivoriambe atao eto izao dia hanatanterahana ny Fampihavanana ara-drazana mba handaminana ny disadisa sy hanasitranana ny fery izay takaitra navelan’ny fifandonana. Araka izany dia mangataka sy miangavy ny hamoram-pontsika mba hahay hifamela sy hifandefitra ary hihavana. Ny hevitra no tsy mitovy fa ny olombelona tsy miady. Izany dia mariky ny Fitiavan-tanindrazana sy fandalàna ny hasin’ny Soatoavina navelan’ireo Razantsika. Tsy inona izany fa ny famerenana indray ny Fihavanana sy ny Fifankatiavana ary ny Firaisankina. Ankatoky ny fetin’ny faha-62 taona ny fiverenan’ny Fahaleovantena isika izao”.