CFM - Madagasikara

Fihaonana CFM – FID

(Alarobia 8 jona 2022, teto amin’ny amin’ny Lapan’ny Fampihavanana Ampefiloha)

Ny delegasiona ny FID notarihin’ny Tale jeneraliny, Jaona ANDRIANANTENAINA

Ny CFM tarihin’ny Filohany MAKA Alphonse, ireo birao maharitra sy ny mpikambana maro.

 

Ny fikatsahana ny fitoniana sy ny filaminana no anisan’ny tanjona katsahin’ny roa tonta. Ka hoy indrindra ny filohan’ny CFM nanazava tamin’ny mpanao gazety ny votoaton’ny fihaonana :

« Nasainay manokana ry zareo avy amin’ny FID mba hisy fifanakalozana traikefa amin’ny FID sy ny CFM. Fantatsika ry zareo fa mikarakara ny fampandrosoana sy ny fiahiana ny mpiray tanindrazana, izany asa fampandrosoana izany dia tsy ho vanona raha tsy misy ny filaminana. Ka izay indrindra no ifampizarana traikefa ahitana ny anjara biriky ny tsirairay eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ».

Raha nanohy ny fanazavana izy dia nanoritra fa « tsy vao androany ny fiarahamiasa amin’izy ireo. Ohatra ny farany teo nisy fikaonandoha niarahana tany Ranomafana, Ifanadiana. Niarahan’ny faritany Fianarantsoa manontolo, ireo mpitondra fanjakana any an-toerana, ny ray amandreny ara-drazana , ry zareo ao am FID. Niara-nikaondoha izahay mba hisy fiantraikany bebe kokoa amin’ny vahoaka ny asa ataon-dry zareo ao amin’ny FID. Nisy ny fifampiresahana amin’ny samy Malagasy tamin’izany. Manana traikefa ry zareo ao am FID satria efa 30 taona nisehatra tamin’ny tontolo ambanivohitra. Zahay ato amin’ny CFM koa dia miparitaka am faritra 23 eto amin’ny firenena. Ka izay indrindra no isian’ny fifampiresahana, iray ny tanjona dia ny fampandrosoana ny firenentsika ». 

Fa ny Tale jeneralin’ny FID kosa dia namariparitra fa : « Nisy ny fitoviana fomba fijery amin’ny roa tonta dia ny Andrim-panjakana mikatsaka ny fihavanana, fitoniana ary filaminana ankilany sy zahay ao amin’ny FID izay ratsamangaikan’ny Fanjakana manatanteraka fandaharanasa ho fanatsarana ny faripiainan’ny mpiara-belona, eo ambanin’ny fandrindran’ny ministeran’ny mponina. Tsotra ny fomba fijery, ny ankohonana iray ra miaina ao anaty fanhantrana lalina, dia tsy mandeha mianatra ny ankizy, tsy anasa ny tanora, ny asa fiharina tsy zarizary. Miteraka fankam-panahy mankany amin’ny tsy firindrana sy tsy filaminan’ny fiarahamonina ifotony izany toe-javatra izany. Ka raha manao fandraharan’asa ny fitondram-panjakana izay tanterahinay FID, mikendry ny afahan’ireo ankohonana marefo ireo mamaha an’ireo olana marolafy, izany hoe afaka mandefa ny ankizy any an-tsekoly, manana fivelomana maharitra, mifikitra amin’ny fambolena sy ny fiompiana amin’ny alalan’ireo teknika famokarana ampitaina any aminy, mahay mandrindra ny fiarahamonina mifototra amin’ny alalan’ny soatoavina mahamalagasy antsika dia ny fihavanana, izay voizina amin’ny alalan’reo fandaharanasa ataontsika. Anjara biriky entin’ny fandaharanasa any amin’y fikatsahana filaminana sy fandriampahalemana eny ifotony izany ireo fandaharan’asany ».

Marihina hoy ny filohan’ny delegasiona ny FID fa « mbola latsaka ny 17% ny malagasy no misitraka ny fandaharan’asan’ny fiahiana ara-tsosialin’ny FID. Ary amin’izao fotoana izao dia mbola mifantoka bebe kokoa am ankohonana ahitana sokajin’olona marefo ny fandaharan’asa. Fa ny fitondram-panjakana kosa dia efa mikatsaka ny fomba rehetra hanitarana azy amin’ny ho avy ».