CFM - Madagasikara

Fivoriambe faharoan’ny CFM amin’ity taona 2022 ity

Natao tao amin’ny Lapan’ny fihavanana Ampefiloha

Izay notarihin’ny filohany MAKA Alphonse

 

Tao anatin’ny kabarin’ny ny filohan’ny CFM dia nanoritra : « Tonga eo amin’ny fotoana andravonana ny asantsika rehetra nandritra izay 5 taona izay isika izao, na teto anivon’ny foibe na ny tany amin’ny faritra tsirairay avy. Atao izany mba hampahafantarana ny ambaratongam-pahefana rehetra sy ny mpiray tanindrazana amintsika ny ezaka vita izay misimisy ihany. Ezaka natao hanamafisana orina ny fitoniana sy ny fiampihavanana amin’ny samy malagasy. Fitaovana lehibe ireo vaomiera 3 eto anivon’ny CFM nanantaterahana ny asa rehetra. Nisy ny olana nosedraina, ny vaha olana no nentitsika hametrahana ny ho avin’ity firenentsika ity. Teo koa ny fivoriana isam-paritra sy ny fivoriambe izay tompon’ny fanampahankevitra farany eto anivon’ity andrimpanjakana ity.

Izany rehetra izany dia narafitra ho boky hampahafantarina sy hatolotra  ny andri-mpanjakana rehetra araka ny voafaritra ny lalana mifehy an’ity andrim-panjakana ity dia ny 2016-037. Aoka anefa asiana tsindrim-peo manokana mihitsy ny fametrahana ny fitoniana amin’izao vanim-potoana iomanana amin’ny fifidianana filohampirenena amin’ny taona ho avy. Anisany paikady amin’izany ny nananganana ny « espace de dialogue et de concertation » sy ny kianja maitso amin’ny faritra maro samihafa mba ifampizarana hevitra.

Raha nanotanian’ny mpanao gazety ny filoha MAKA Alphonse momba ireo fihaonana maro tamin’ireo mpanao politika, dia namaly fa « nisy tokoa ny fihaonana tamin’ireo hery velona teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 2019, toy ny mpanao politika na ny mpomba na ny mpanohitra ny fitondrana, ny societé civile nahitana ny holafitry ny mpanao gazety, ny raiamandreny ara-drazana sy ara-panahy… ireo fihaonana ireo sy ny fidinana manerana ny nosy, no naravona ka lasa atotan-kevitra iray : « le soatoavina malagasy source d’apaisement électoral ». Iarahamahalala fa ny fifidianana dia anisan’ny miteraka krizy eto amin’ny firenena, ka izay no anton’io tari-dalana io. Efa natolotray ny CENI, HCC, minisiteran’ny Atitany, ny filohan’ny Andrimpanjakana rehetra, ny mpanao gazety journalistes, mba hialana amin’ny krizy amin’io fifidianana manaraka io ».

Momba ny tsy famelana ny hafa hanao famoriambahoaka amin’ny Distrika sasany eto Madagasikara dia  nilaza ny filohan’ny CFM fa « ny fifandranitana, ny fifampihantsina amin’ny teny, fanapahankevitra, na fihetsika dia miteraka lonilony, ka tsy maintsy mifampiresaka isika malagasy, ary izany dia tokony hatao an-kitsi-po. Izay ihany no afahantsika misoroka ny disadisa ».

Momba ny fihanambem-pirenena dia hoy ity filohana andri-mpanjakana ity : « misy tokoa ny antoko politika maromaro mitaky ny hanaovana ny fihaonam-bempirenena, efa maromaro ihany koa no nisy teto amin’ny firenena toy ny dinika santatra, ny concertation nationale… fa mbola averinay eto fa ilaina ny isian’ny fifampiresahana sy ny fihaonana ».

Ny Lisim-pifidianana koa dia miteraka resabe « ka mba hialana amin’ny doublon, ny fanjakana malagasy dia efa nanapa-kevitra ny hanao « refonte » ny lisi-pifidianana. Zava-dehibe tokoa io, ary iangaviana isika rehetra mba samy handray anjara amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana tena izy io, mba ialana amin’ny ahiahy. Eo koa ny lalam-pifidianana, betsaka koa ny fanakianana momba an’io, ka tokony  ho fantarina hoe inona ao anatin’io lalana io  no mety miteraka ahiahy. Mba tena hangarahara sady eken’ny rehetra ny fifidianana ho avy ».