CFM - Madagasikara

Antso amin’ny hitsaharan’ny fifandranitana amin’ny adim-poko (Alarobia 16 martsa 2022)

Ny hevitry ny Filohan’ny CFM momba ny raharaha « tract » mandranitra adim-poko, miparitaka any amin’ny Faritra Atsimo, ao an-tananan’ny Toliara indrindra indrindra :

Tato anatin’ny fotoana vitsivitsy izay dia misy ny antsoikoa hoe « virus » ny fanavakavahana te hiditra eto amintsika. Miseho izany amin’ny fihetsika, na fiteny na fandraisana fanapahan-kevitra, na koa fanambarana isan-karazany. Tokony hitandrina anefa isika Malagasy, satria isika dia iray ihany na dia mizara Faritra 23 aza, ireo faritra ireo izay ahitana ny foko  rehetra misy eto Madagasikara. Lalanan’ny natiora ny fahasamihafana saingy tsy natao hifanavakavahana.

Eto aho dia manao antso avo ho antsika Mpiray tanindrazana mba tsy hilalao afo. Mora ny mandrehitra fa ny mamono no sarotra. Isika dia manana ny soatoavintsika sy ny fomba amam-panao, anatin’ireo foko samihafa eto amintsika, fa ny iraisantsika dia ny Fihavanana. Ka tokony hotandrovina toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena,  mety misy olona faly sy mampirisika nefa mba afahana mampandroso ny firenentsika dia mila ny firaisana sy fiarahana. Tsara ny mampatsiahy fa ireo mpanjanatany ny nampiditra ny politikan’ny zarazarao anjakana teto Madagasikara,ka aoka re isika mba tsy ho tafiditra amin’izany.