CFM - Madagasikara

TOLO-TANANA AVY AMIN’NY CFM HO AN’NY MPIRAY TANINDRAZANA

BIRAON’NY BNGRC (Alakamisy 03.01.2022)

FANOMEZANA : Vary makalioka 30 gony

Fihaonana teo amin’ny tompon’andraikitry ny BNGRC, izay notarihin’ny Tale Jeneraliny, ny Jeneraly Elack Andriankaja sy ny mpikambana amin’ny CFM, notarihin’ny filohan’ity Andrim-panjakana ity, MAKA Alphonse, ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra (Ireo Filoha lefitra Jean, Ramamimampionona Gerard, Jean-Jacques Rasolondraibe, Zalifa Bente Salim, ny Mpampaka-teny voalohany Razafimahatratra Valisoa, ireo mpikambana Rahaingosoa Louise Odette, Razaka Oliva, ny Sekretera Mpanatanteraka Rajaonarivelo Théogène, ny talen’ny kabinetra Ramarolahy Albert, ary ny tale teknika Ratsaratoetra Faramalala sy Jeneraly Boringa Raymond ).

Taorian’ny fihaonana, nilaza teo anoloan’ny mpanao gazety ny Filohan’ny CFM :

« Izao dia ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana izay tratran’ny hetraketraky ny natiora, ao anatin’izany ny tondra-drano, ny hain-tany, eo koa ireo valan’aretina. Izao moa dia vokatry ny tsipaipaika nataonay teo anivon’ny CFM. Ka manolotra vary makalioka 30 lasaka eto amin’ny BNGRC ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana. Marihina moa fa adidy masina no ataon’ireo tompon’andraikitry eto. Manararaotra ihany koa izahay manome tso-drano ho azy ireo amin’ny maha raiamandreny sy ireo mpiara-miasa rehetra, mba homen’Andriamanitra fahasalamana, ho tafiny hery mba hiatrika izao adidy masina izao, satria tsy mora ny miandry azy ireo hita fa tena mavesatra ny adidin’izy ireo ».

Tsy hadinon’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ny nisaotra ny tolo-tanana nataon’ny CFM.