CFM - Madagasikara

MANAMBONINAHITRA LEFITRA

Andry iankinan’ny foloalidahy eo @ fiarovana sy fampandrosoana ny firenena ny manamboninahitra lefitra ka tokony ho modely eo amin’ny asa nankinina amin’izy ireo, hoy ny filohan’ny CFM, nandritra ny fankalazana ny andron’ny manambonihitra lefitra, tetsy  @ foibeny Ampefiloha, io maraina io.

Ny 01 febroary 1963 no nitsanganan’ny « Ecole des Cadres des Services Civique », Sekolin’ny manamboninahitra lefitra tao Antsirabe ankehitriny ka nahatonga izao fanamarihana sy fahatsiarovana isan-taona izao. feno 59 taona ny nijoroany ankehitriny.

kitro hifaharan’ny foloalidahy ny manamboninahitra lefitra noho izy ireo manana traikefa hampandrosoana ny firenena, hoy ny filohan’ny CFM MAKA Alphonse.

Nankasitrahan’ny filohan’ny CFM MAKA Alphonse ihany koa ny asa famonjena ny mpiara-belona nandritra ny valanretina coronavirus sy ny loza voanjanahary farany teo ireny izay nataon’ireto manamboninahitra lefitra ireto

Tahakany isan-taona ny 01 Febroary mankalazana ny andron’ny fetin’ny manambonihatra lefitra ny eo anivon’ny CFM – conseil de fampihavanana malagasy ka tonga manome voninahitra izany foana ny filohan’ity rafim-panjakana ity  MAKA Aphonse   tetsy Ampefiloha io maraina io.