CFM - Madagasikara

ANDRO MANAMBONINAHITRA

 

Tsy tokony ho tafiditra ao anatina raharaha krizy politika intsony ny manamboninahitra fa hijoro ho teknisiana hampandroso ny firenena, hoy ny filohan’ny CFM, nandritra ny fankalazana ny andron’ny manamboninahitra, tetsy @ foibeny, Ampefiloha, io maraina io.

Horakoraka, poa-basy lavareny, ny zandriny namoha vao  mangiran-dratsy Manamboninahitra zokiny eraky ny toby sy ny lakazera rehetra manerana ny nosy. Fombam-pitaizàna sy soatoavina ara-miaramila (tradition) nipoitra sy niainana avy ao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe izany nanomboka ny niorenany ny 12 janoary 1967, nentin’ireo mpianatra manamboninahitra hanehoana ny hetahetan’izy ireo hanatsaràna ny tontolom-piainany sy ny fanabeazana ary ny fitaizàna. Taty aoriana dia napetraka ho « Andron’ny Manamboninahitra » miaramila malagasy rehetra ny andron’ny faha 12 janoary, ka nankalaza izany avokoa ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika Malagasy ary ireo andrimpanjakana sy rafim-panjakana. 

tsy diso anjara t@ izany ireo manamboninahitra miasa eo anivon’ny rafim-panjakana CFM – filankevitrin’ny fampihavanana malagasy.

mazava ny hafatra avy @ filohan’ny CFM MAKA Alphonse fa tsy tokony ho tafiditra @ raharaha krizy ara-politika intsony ny manamboninahitra fa hijoro ho teknisiana hampandroso ny firenena

mila mijoro arak’izany ny manamboninahitra hijery ny tombosoan’ny firenena

Tahaka ny mahazatra dia misy ny loi traditionnel fanolorana gisa hoan’ny filohan’ny CFM nomen’ireto manamboninahitra miasa ao @ CFM ireto, io maraina io.