CFM - Madagasikara

SOSIALY

Niravona ny olana eo @ foko Bara sy Androy taorian’ny disadisa tao anatin’ny 02 taona. Nisy ny “Titika fifampitokisana” teo @ foko 02 tonta ho marikin’ny fampihavanana, izay natao tany marontsiraka – Distrika’I Amboasary atsimo, androany.

Tonga niatrika ny fampihavanana izao ny filohan’ny CFM sy avy @ PNUD.

Tao anatin’ny 02 taona sy 06volana dia nifamono, tsy mifampiditra an-trano, fangalarana omby no nisy teo @ foko bara sy Tandroy tao kaomiina Marontsiraka – distrikan’I Amboasary Atsimo. Resaka halatr’omby sy saho tsy marina no nanombohan’ny disadisa hoy ny be’ny Tanana Marontsiraka, MONJATSILAVENO

Nanome toky ireo ray aman-dreny avy @ foko Bara TSANGALARY sy ny avy @ foko Tandroy TSIMAFAITRY Solo Jean fa tsy hamerina ny disadisa teo aloha itsony izy ireo

Niravona arak’izany ny disadisa eo @ foko 02 tonta ary ny filoha’ny CFM MAKA Alphonse no natao ray mpiahy azy ireo ho fanamafisana ny fampihavanana

Hipetraka ho tantara eo @ foko Bara sy foko Tandroy ny titika na voady natao tany Marontsiraka androany izao