CFM - Madagasikara

FAMBOLEN-KAZO NATAON’NY CFM(29.01.2021)

FAMBOLEN-KAZO (29.01.2021)

Ho fitondrana ny anjarabiriky amin’ny firenena, dia nanatanteraka hetsika fambolen-kazo ny mpiara-miasa ato amin’ny CFM na Komitin’ny Fampihavanana Malagasy, ny zoma faha-29 janoary 2021 lasa teo. Ny fotoana dia notarihin’ny Filohany, Alphonse Maka, notronin’ireo mpikambana amin’ny birao maharitra sy ireo mpikambana tsotra ato amin’ity andrim-panjakana ity, izay natao teny Ambohaja, Firaisana Ambanivohitry Tsiafahy.

Tonga navitrika tokoa ireo mpiara-miasa, ary tena hita taratra tamin’izany ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra hamboly hazo, izay adidy amin’ny maha olom-pirenena, mba ho to ilay filamatra « ho rakotra ala i Madagasikara ». Zana-kazo 1750 isa no voavoly tamin’izany. Niezaka koa ny mpiasa ny nanome aina ireo zana-kazo efa voavoly herin-taona lasa izay. Marihina moa fa teto amin’ity toerana ity ihany no nanaovana ny fambolen-kazo ny taona 2020.

Nanao ny teny fisaorana ny filohan’ny CFM no sady nankahery ihany koa ireo mpiara-miasa ary nanoritra fa « manatanterka ny adidy amin’ny tanindrazana ny mpiasa ato amin’ny CFM satria ny tarigetra dia ny handrakotra ala, hamerina indray ho nosy maintso an’i Madagasikara. Zava-dehibe izy io satria hitantsika ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny haintany… ka izao dia fandraisana anjara amin’ny ady amin’izany. Fanatanterahana ihany koa ny politikam-panjakana sady adidy ho an’ny taranaka koa ».