CFM - Madagasikara

FIARAHABANA NAHATRATRA NY TAONA 2021

Solontenan’ny FEDEP (Fédération des ex-détenus politiques) tonga niarahaba tratrin’ny taona ny Filohan’ny CFM MAKA Alphonse. Marihina moa fa 37 tamin’ireo gadra politika no efa nahazo famotsoran-keloka (amnistie) teto anivon’ny CFM, izay nanaraka ny fepetra rehetra tokony hisitrahana izany.

05.01.2021, ireo mpikambana ao amin’ny CFM nisolo tena ny maro ary notarihin’ny filohany MAKA Alphonse, dia tonga niaraba ny Filoham-pirenenana mivady, tratry ny asaramanitra 2021, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Ny 15.01.2021, ny fiombonamben’ny mpiasa, notarihin’ny Sekretera mpanatanteraka sy ny filohan’ny kabinetra ; tonga niarahaba tratrin’ny taona ny filoha MAKA Alphonse, sy ny mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy.